airtel

Actualités

23-févr-2024

Miss world 2024

Tsara fanombohana i Antsaly Rajoelina

Sample post image

Tsara ny vokatra hatreto ho an’i Madagasikara eo amin’ny fifaninana

23-févr-2024

Miss world » andiany faha-71 tanterahana any Inde. Marihina fa miisa 70 ireo mpandray anjara ao anatin’izany, ka isan’ireo mifaninana amin’io, misolo tena an’i Madagasikara i Antsaly Rajoelina. Ho an’ny omaly, nahazo fandresena ny tenany teo amin’ny hazakazaka ka tafiditra ao anatin’ny « top 32 » amin’ny fifaninana «sport challenge », ary tafiditra ao anatin’ny « finaliste top 25» ihany koa ao anatin’ilay hoe : « head to head challenge ». « Faly mampahafantatra anareo aho hoe tafiakatra « finaliste Top 25 » ihany koa isika amin’ny fifaninanana « Head-To-Head challenge », ka anio ny famaranana amin’io sokajim-pifaninanana io. Ny fifanintsanana dia natao tamina horonan-tsary momba ny G20 ary tamin’ny fanolorana ny « Beauty With A Purpose » izay notanterahina omaly ihany koa. Mahay ny zava-drehetra Jesosy, izy no manome fahaizana sy fiadanam-po rehefa manatanteraka zavatra », hoy i Antsaly Rajoelina omaly nampita sy nitatitra io fahombiazany io. Ny « Beauty with a purpose » moa dia ny hatsaran’ny tetikasa heverin’ilay mpifaninana fa hotanterahana aoriany, izay mifototra amin’ny fanasoavana fiarahamonina na vondrom-piarahamonina amin’ny ankampobenyAlefa Madagasikara !
Nangonin’i Toky R.
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap