airtel

Actualités

30-avril-2025

« Mondial du Pain » andiany faha-10

Vonona hanome ny tsara indrindra ny solontena Malagasy

Sample post image

Solontenan’i Madagasikara amin’ny Mondial du Pain faha-10 izay hatao any Nantes Frantsa

30-avril-2025

ny 19 ka hatramin’ny 22 Oktobra 2025 ny ekipa iray avy ao amin’ny Havilla School. Ity ekipa ity dia ahitana an’i Cheffe Toavina Rainbenoalahatra sy ny mpiara-miasa aminy, Botsy Orlando Totoashey, izay tarihin’ny mpanazatra azy ireo, Chef Toky Ramà Andriantsotohaimanantena. Fifaninanana iraisam-pirenena manasongadina ny maha-kanto ny fanaovana mofo ny « Mondial du Pain ». Anisan’ny tanjona ny fanehoana ny fahaizan’ny mpandray anjara, ny fanavaozana amin’ny resaka sakafo ary ny fanomezana lanja ny maha-ara-tsakafo sy maha-tsiro ny vokatra. Ankoatra izany, manentana ny tanora mpanao mofo ihany koa ity hetsika ity mba hanana finiavana sy fahazotoana amin’ny asa ary hampiroborobo ny traikefa maneran-tany eo amin’ny sehatra.

Asmynah Randriamananjara (mpiana-draharaha)

 

Dans la même rubrique

13-janv-2026

anarana biometrika i Madagasikara

Card image cap
13-janv-2026

Raim-pianakaviana. iray vao 22 taona

Card image cap
09-janv-2026

sy sarany tena sahaza ireo manam-pahaizana!»

Card image cap