airtel

Actualités

17-juil-2026

MPANAKANTO DENISE

Lasa ambasadaoro vaovaon'ny

Sample post image

marika World Cola ny mpanankato Denise.

17-juil-2026

Hiara-kiasa akaiky amin'ity marika ity ny mpanakanto malagasy Denise, izay marihina fa manana ny lazany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Haharitra herin-taona ny fiaraha-miasa, izay natao hanamafisana ny lazan’ny marika Woco, ary tafiditra ao anatin'ny paikady fanamafisana ny toerany eo amin'ny tsena Afrikana. Amin'ny alalan’ny fiaraha-miasa amin'ity mpanankato ity, dia manamafy ny finiavany hifandray amin'ireo olo-malaza mitovy soatoavina sy vina aminy ny Woco. Araka izany dia handray anjara matetika amin'ireo hetsika karakarain'ny Woco eto Madagasikara i Denise. Hanasongadina ny vokatra izy ary handray anjara amin'ny fampahafantarana bebe kokoa an'ny Woco amin'ny Malagasy. Ny Woco dia marika miorina amin’ny fifandraisana amin’ny tanora, fitondrana fahavitrihana ary fifandraisana akaiky amin'ny tontolo « urbain ». Noho izany dia hanamafy ny fifandraisany amin'ny tanora malagasy sy indrindra ny tontolon'ny mozika «urbaine » ny Woco.Ny fisafidianana an'i Denise ho masoivohon'ny marika, dia manamafy hatrany fa ny Woco dia manaraka ny fivoaran’ny toetrandro ary mirona manaraka ireo hetsika mampihetsi-po sy mampientanentana ny mpanjifa malagasy, sady hampisongadina hatrany ny marika aty amin’ny kaontinanta afrikanina. Notanterahina tamim-pomba ofisialy afak'omaly alarobia 15 Jolay , tao amin'ny Presto Dinner Ankorondrano ny sonia fifanaraham-piara-miasa mifandraika amin'izany.
Pati
Légende : Nandritra ny fampahafantarana nataon'ny roa ny fiaraha-miasany !

 

Dans la même rubrique

11-août-2026

Miha milentika i Marie Michelle, 5 hafa nidoboka

Card image cap
11-août-2026

Marc Dillard, diplaomaty efa za-draharaha

Card image cap
11-août-2026

maty nianjeran'ny tamboho

Card image cap
11-août-2026

mponina ireo mpivarotra manodidina

Card image cap
10-août-2026

Firenena handresena ny haizina

Card image cap