airtel

Actualités

12-avril-2024

Actualités

Mpanolana afaka tamim-pisalasalana Velon-taraina ny fianakavian’ilay zaza 8 taona

Sample post image

Niakatra fitsarana omaly Alakamisy 11 Aprily raha ny loharanom-baovao azo ilay raharaha

12-avril-2024

fanolanana zazavavy kely vao 8 taona monja voalaza fa nataona lehilahy iray 17 taona tao Tolohomanga, Fokontany Bedihy, kaominina sy distrikan’Ambatofinandrahana. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nandritra ny vakansy lehibe farany teo no nisehoan’ity trangan-javatra mampalahelo ity. Nanao vakansy tany Ambatofinandrahana ilay zaza raha ny fanazavan’ireo fianakaviany. Tany izy no niharan’io fanolanana io izay nanimba ny fahadiovany tanteraka. Any Ambositra kosa izy no tena mipetraka. Nambaran’ireo fianakaviany moa fa nisy porofo mazava avy tamin’ny dokotera nanamarina fa tena voaolana marina ilay zaza. Mbola tadidin’ilay zaza rahateo hoy ny fianakaviany hatrany ny akanjon’ilay lehilahy nanolana azy. Very fanahy mbola velona tanteraka ireo fianakavian’ilay tsy manan-tsiny noho izany. Miantso ny Fitsarana any an-toerana mba hamerina hijery manokana ny antontan-taratasy mikasika ity fanolanana nihatra tamin-janany ity izy ireo.
Pati
Legende : Ity ilay taratasy avy amin’ny dokotera manamarina fa tena voaolana tokoa ilay zaza tsy manan-tsiny !
 

Dans la même rubrique

16-janv-2025

Goavana ny fanarenana miandry, raha ny toekarem-pirenena eto Madagasikara no asiana resaka.

Card image cap
16-janv-2025

Nipoitra indray ny Kolonely Charles Andrianasoavina izay isan’ny nanamarika ny tantara tamin’ny 2009

Card image cap
16-janv-2025

Nanomboka ny alatsinainy 13 ka nifarana ny alarobia 15 janoary 2025 tao amin’ny trano fivorian’ny Minisiteran’ny

Card image cap
16-janv-2025

Efa nahazatra ireo mpikirakira fifandraisan-davitra toy ny amin’ny alalan’ny finday hatramin’izay

Card image cap
16-janv-2025

Hita ho tena sahirana ny vahoaka malagasy, raha ny mikasika ny sosialim-bahoaka tamin’iny taona 2024 iny,

Card image cap
16-janv-2025

Niato sahady indray ny rotsak’orana izay neverina hifampitohy tao anatin’ny 3 andro,

Card image cap