airtel

Actualités

26-août-2022

Actualités

Mpiala sasatra miazo an’i Mahajanga Misy hivarotra fotsiny no anton-dian’ny sasany

Sample post image

Samy manana ny fitadiavam-bolany tokoa ny olona tsirairay avy. Ny fiainana rahateo efa tena sarotra. Misy amin’ireo mpiala sasatra miazo an’i Mahajanga araka izany no hivarotra fotsiny no tena anton-diany.

26-août-2022

Etsy Ambondromamy, lalam-pirenena fahaefatra dia efa manomboka izany. Mitondra fiara lehibe mihitsy ny sasany ary mahandro vary sy laoka ary tsaky eo amin’ny sisiny. Amin’ny ankapobeny mantsy dia eo avokoa no mijanona ny ankamaroan’ireo fiara hiazo an’i Mahajanga sy Antsiranana. Mivarotra vary masaka sy laoka, compose sy lasopy izy ireo mandritra izany raha miainga indray ny tsaky toy ny tono masikita sy lasary raha vantany vao harivariva ny andro dia toy izany hatrany. Misy tena mahazo volabe tokoa ireo mpiala sasatra ireo raha araka ny vaovao azo. Mahafaty an’aliny isan’andro mantsy izy ireo ka sady miova rivotra kely izay toy ny miala sasatra ihany no mahazo vola. Toraka izany koa ny ao an-tampon-tananan’i Mahajanga. Marobe ireo olona avy eto an-drenivohitra tonga mivarotra any an-toerana amin’izao. Ankoatra ireo kojakojan-tokantrano dia tsy vitsy ireo mitondra ireny karazan’akanjo fitondra amin’ny andro mafana ireny….Am-polony isan’andro moa ireo taxi brousse mivoaka miala etsy amin’ny tobim-piantsonana Maki Andohatapenaka miazo an’i Mahajanga amin’izao.
Pati
 

Dans la même rubrique

15-janv-2025

Samy velom-panontaniana ny mpanara-baovao tato anatin’ny herinandro izay manoloana ireo

Card image cap
15-janv-2025

Niparitaka nanomboka omaly ny didy fampikarohana an’i Bekasy Johnfrince. Karohin'ny polisin'ny

Card image cap
15-janv-2025

Raim-pianakaviana iray antsoina hoe Hery na Iaban’i Sarah no namoy ny ainy tao amin'ny Kaominina Ranotsara

Card image cap
15-janv-2025

Miha tery hatrany ny fahafaha-mivelona na fivelomana eto Madagasikara, indrindra, taorian’ny fidiran’ny

Card image cap
15-janv-2025

Ny lafiny famoronana sy fanatontosana, ireo sisa tena olana amin’ny sarimihetsika malagasy,

Card image cap
15-janv-2025

Efa kely sisa dia maherin’ny herintaona no nisian’ny ranobe tsy mety ritra etsy Andravoahangy ambany.

Card image cap