airtel

Actualités

11-nov-2025

MPIASAN'NY JIRAMA

Manao fitokonana faobe manomboka anio

Sample post image

Hanatanteraka fitokonambe ireo mpiasan'ny JIRAMA

11-nov-2025

manerana ny nosy manomboka anio talata 11 novambra raha tsy miala amin'ny toerany ny tale jeneralin'ny orinasa Jirama Atoa Ron Weiss sy ny forongony. Raha araka ny fanazavan-dRakotomanarivo, Filohan'ny Sendikan'ny mpiasan'ny Jirama mantsy dia omaly no fe-potoana farany nomen'ny Filoham-panjakana Rakotonirina Mickaël azy ireo taorian'ny fotoana nihaonan'ny roa tonta ny amin'ny hanovana ny rafitra sy hanalana izay olona tsy milamina eo anivon'ny orinasa Jirama. Mbola tsy voavaha ihany anefa ny olanay hoy izy raha efa miditra amin'ny fanovana avokoa ny isaky ny Ministera ka tsy azo ekena. Raha raikitra io fitokonana io hoy izy ireo dia misy ny fanaterana faktiora aloha, ny fandoavana jiro raha toraka izany koa ny fanaraha-maso sy ny fanapahana jiro. Fantatra moa fa nihaona ny roa tonta omaly hariva ka miankina amin'izay no mety hisian'ny fitokonana na tsia manomboka anio Talata.
Pati
Légende : Nandritra ny fihaonambe notanterahin'izy ireo omaly 

Dans la même rubrique

23-oct-2026

Sinoa iray tratra nitondra volamena

Card image cap
23-oct-2026

Manome lanja ny tontolon’ny

Card image cap
23-oct-2026

Misy vatsim-pianarana 12 hiofanana atsy Maorisy

Card image cap
23-oct-2026

Hiverina amin’ny heriny, eny

Card image cap
22-oct-2026

tohin’ny afera Nosy Be Hell Ville…

Card image cap
22-oct-2026

Notsipahan’ny HCC ny andininy miisa roa

Card image cap