airtel

Actualités

17-avril-2024

Mpirafilahy niady vehivavy

Matin'ny kapa famaky tamin'ny lohany ny iray

Sample post image

Ady vehivavy no namonoana olona tamin'ny fomba mahatsiravina tao Marovotsy Tsiareky Ambovombe ny alin'ny 14 Aprily 2024 tamin'ny 8 Ora Alina.

17-avril-2024

Vehivavy iray no niadivan'olona roa lahy satria samy niady te handromboka azy avokoa izy 2 ireo, saingy zava-doza no niafarany. Vokany, nokapain'ilay iray ny famaky ny lohan'ilay lehilahy iray rehefa nangotraka ny fifampiresahina teo amin'ny andaniny sy ankilany, tao an-tranon-dravehivavy, ka nandriaka ny rà. Lalina ny ratra nahazo ity lehilahy ity izay nisy fahasilahana mihitsy moa ilay lohany noho ilay "famaky" naranitra ka izao maty tsy tra-drano izao. Nitsoaka avy hatrany ilay nahavanon-doza rehefa nahavita ny asa ratsiny ary karohin'ny zandary ao an-toerana fatratra ankehitriny, hoy ny tatitra. Ny 15 Aprily tokony ho tamin'ny 6 Ora maraina mantsy vao nahazo antso avy amin'ny ben'ny tanàna ao an-toerana ny avieo anivon'ny Komandin'ny Tobim-paritra Ambovombe mahakasika ity vono olona tamin'ny fomba feno habibiana ity, raha ny fanamarihana. Taorian'ny fidinana ifotony nataon'ny zandary niarahana tamin'ny mpitsabo tao amin'ny CSB sy ny ben'ny tanàna ao an-toerana no nampandrenesana ny Tonia mpampanao lalàna, hoy ny tatitra. Andrasana ny tohiny!
Nangonin'i Toky R
 

Dans la même rubrique

HCJ
17-janv-2025

Tontosa omaly alakamisy 16 janoary 2025 teny amin’ny Fitsarana tampony Anosy ny fametrahana sy fianianana

Card image cap
17-janv-2025

Mihamahazo vahana hatrany ny tsy fisian-drano eto amintsika. Antony hitadiavan’ireo mpanao

Card image cap
17-janv-2025

Hisy fivarotana amin'ny alalan'ny lavanty kojakoja elektrika avy amin'ny Jirama,

Card image cap
17-janv-2025

Efa lasa manalavitra ny morontsirak’i Madagasikara hatrany hatramin’ny omaly hariva fotoana

Card image cap
17-janv-2025

Fahotana faratampony amin’Andriamanitra no sady miteraka ozona mahatsiravina ny Ray manam-bady ny zanany

Card image cap
17-janv-2025

Tovolahy iray manodidina ny 35 taona eo ho eo no fantatra fa hita faty tao anaty tano tao Ampitarihana,

Card image cap