airtel

Actualités

07-oct-2022

Actualités

Mpiraki-draharahan’ny fitsarana Tsy hijanona ny fitokonana raha tsy mivaly ny fangatahana

Sample post image

Efa ho 10 taona angarangidina izao no tsy nivaly ny fangatahan’ireo mpiraki-draharahan’ny fitsarana mivondrona ao anatin’ny sendika, tarihin’Andriamaro Alain Michel.

07-oct-2022

Niroso tamin’ny fitokonana faobe izy ireo araka izany nanomboka omaly ary tsy hijanona intsony raha tsy mivaly ny fitakiany. Raha iray izany teo aloha raha araka ny fanazavan’ny filohan’ity sendika ity dia tafakatra 4 amin’izao. Lohalaharana amin’ireny ilay antsoina hoe : versement. Tokony hatao araka ny diplaoma hananan’ireo mpiraki-draharaha isanisany ny karama raisiny. Manomboka amin’ny bakalorea izany ka hatramin’ny bakalorea miampy 4. Betsaka ireo mpiraki-draharaha miezaka mampitombo ny diplaoma araka izany saingy toa jeren’ny fanjakana fotsiny. Faharoa ny tokony hananan’ny mpiraki-draharaha ilay antsoina hoe : « ordre de poursuite » izay efa hananan’ireo mpisehatra amin’ny lalana sy fandriampahalemana eto amintsika. Ny mpiraki-draharaha irery ihany hatreto no tsy mba manam-piaro hoy hatrany ny fanazavana azo raha misy mpiaro avokoa ny mpisolovava, ny polisy…rehefa misy tsy mety hataony. Ny fahatelo moa dia ny fangatahan’izy ireo ny mba hanoloana tsy misy hatak’andro ny tale misahana ny maha-olona eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana noho izy tsy mahay mitsinjo ny mpiara-belona raha fitakiana ny fanatsarana ny raharaha anatiny kosa ilay fitakiana fahaefatra. Tsy misy raharaham-pitsarana mandeha mihitsy etsy amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy vokatr’izany. Manohana ity hetsika ity 100% ireo mpiraki-draharaha eto Antananarivo raha toraka izany ihany koa ny any amin’ny faritra izay saika nanakatom-barabarava avokoa omaly. Tsy hijanona ny hetsika raha tsy mivaly ny fitakiana rehetra.
Pati
Legende : Andriamaro Alain Michel, filohan’ny sendikan’ny mpiraki-draharaha
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap