sy fanatsarana entin'ny Minisiteran'ny Fizahantany sy ny Asatanana ny fampanarahan-dalana ireo mpisehatra, mba hanamafisana ny kalitaon'ny tolotra sy ny maha matihanina ny asa. Fantatra ankehitriny fa miisa 650 ireo mpitaridia manana fahazoan-dalana ara-dalàna (Agrément) hatramin'ny nanombohana izao ezaka izao. Ny 71 amin'ireo dia natolotra nandritra ny fankalazana ny Andro manan-danja ho an’ny sehatry ny fizahantany tao Morondava omaly 30 Jona. Mbola hitohy amin’ireo faritra hafa ny fanombanana sy fanomezana fahazoan-dalana. Tsiahivina fa hatramin’ny taona 2019 dia tsy nisy intsony ny "Agrément" nivoaka ho an’ny mpitaridia. Tanjona araka izany ny hampitombo ny isan’ireo mpitaridia ara-dalàna sy mahafeno ny fenitra takian’ny sehatra, izay tena antoky ny kalitao sy ny lazan’ny fizahantany malagasy.
Jean D