airtel

Actualités

12-févr-2024

MPITONDRA CYCLO POUSSE

Bevohokany ilay zaza 12 taona fitondrany hatramin’ny fahazaza

Sample post image

Ilana fitandremana avokoa ny zava-drehetra hatao fa tena tsy hampoizina izay mety hitranga.

12-févr-2024

Lehilahy iray mpitondra cyclopousse natokisana efa an-taonany maro no nivadika tamina mpivady iray nanankina ny zanany vavy tamin’io lehilahy io tao Toamasina tao. Vao nanomboka 3 taona mantsy ny menaky ny ain’ireto farany no efa nalain’io lehilahy io sy nateriny tamin’ilay cyclo pousse izay marihina fa vavikely. Tsy nitsahatra ny nifandray izy ireo nandritra izany saingy tena nitera-doza. Bevohoka mantsy ilay zazavavy kely ankehitriny nefa vao 12 taona monja. Rehefa noteren-dRay aman-dReniny ilay zaza dia nilaza tamim-pahatsorana fa ilay lehilahy mpitondra cyclo pousse izay mpaka sy mpanatitra azy ary handoavan-dRay aman-dReniny karama isam-bolana no nahabevohoka azy. Tohana mafy ireto farany vokatr’izany saingy nahatsapa ny fahatokisana diso tafahoatra napetrany tamin’ilay mpitarika posy ihany koa. Indrisy anefa fa efa tara loatra izany. Ho an’ilay mpitarika posy kosa dia tsy ho afa-maina izy fa henjehin’ny lalana na inona na inona fifankatiavana nisy teo amin’izy roakely noho izy nahabevohoka zaza tsy ampy taona.
Pati
Legende : Entin’ilay lehilahy mitaingina posy miaraka aminy tahaka izao foana ilay zaza isan’andro !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap