airtel

Actualités

12-févr-2024

Mpitondra tsy mahay mitantana

Tratry ny fahirano ankolaky ny mpamatsy vola…

Sample post image

Miharatsy hatrany ny toeran’ny Mpitondra Malagasy eo anatrehan’ny mpampiasa vola.

12-févr-2024

Mitombo ny tsindry sy ny tsy fahamarinan-toerana amin’ny lafiny famatsiam-bola. Iny efa noresahana omaly iny fa mihantona aloha izany ny fiaraha-miasa amin’ny Eoropeanina ka tafiditra ao anatin’izany ny BEI na ny Banky Eoropeanina momba ny fampiasam-bola. Ny Tahiririm-bola Iraisam-pirenena mametraka ny fepetra samihafa amin’ny fifandanjana ara-toekarena, ny tsy fanatosahana ny volam-panjakana any amin’ny resaka Jirama, solika,… izay tsindry makany amin’ny fampiharana ny vidiny tena izy na « vérité de prix ». Isan’ny nanaovan’ny Banky Iraisam-pirenena tatitra ohatra, fa nahatratra 150 tapitrisa dolara na 604 miliara Ar ny fatiantoka sy vola very teo anivon’ny Jirama ho an’ny taona 2022 fotsiny, ka isan’ny mampihidy ny famatsiam-bola. Nanaovana serasera be tany amin’ny aprily 2022 ny hoe : fifanaraham-piaraha-miasa roa sosona, mitentina 534,9 tapitrisa dolara nosoniavan'i Madagasikara sy ny Banky iraisam-pirenena. Ny voalohany dia mahakasina ilay tetik'asa "Connecter Madagascar", izay entina hanamboaran-dalana any amin'ny faritra Andrefana sy Atsimon'ny Nosy. Mitentina 400 tapitrisa dolara izany, ka ny 200 tapitrisa dolara amin'io dia tsy averina, fanampiana ara-bola izay mikendry ny hahafahantsika miomana amin'ireo mety ho loza ara-pahasalamana sy fanatsarana ny tolotra eny amin'ireo tobim-pahasalamana fototra. Mby aiza izany izao ? Tahaka izany ihany koa ny hoe : 400 tapitrisa Euros avy amin’ny FMI, fa rehefa tena zohiana dia mitsitaitaika hatramin’ny 2028 ary arahina fepetra maro. Misy ihany koa ilay tohana ara-bola na « Appui budgétaire » avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena mitentina 100 tapitrisa dolara, izay nanaovana serasera im-betsaka, ary tany amin’ny jona 2023 aza dia nambara fa nankatoavina ny famoahana an’io vola io fa hatramin’izao aloha toa mihidy ny « robinet », tsy mivoaka ny vola,... Sahirana tanteraka ara-bola noho ireny ny Fanjakana, hany ka na ilay fampiakarana ny karama farany ambany ho 250 000Ar noho ny fiakaran’ny vidin-tsolika nanomboka ny jolay 2022 aza nivadihan’ny mpitondra satria tsy nohefainy ny 12000Ar ka niverina ho 2 38000Ar ny tena izy amin’io satria tsy misy vola ny Fanjakana.
TSY MAHAY MITANTANA
Ny tena olana anefa, arakaraka ny fahasahiranana no toa vao mainka mampitombo ny tsy fahaiza-mitantana. Tsy voahaja ny tena lamina araka ny tokony ho izy ny fampiasana sy ny fitantanana ara-bola na ny « orthodoxie financière » izay fepetra tena takian’ny mpamatsy vola. Misy famatsiam-bola mazava ve ohatra ny Tanamasoandro ? Kianja manara-penitra ? Monument,… ? izay handaniana vola tsy toko tsy forohana kanefa isika mitangirika vola etsy sy eroa. Ho voatsangana sy handeha araka ny tokony ho izy ve izao ireo Sekreteram-panjakana miisa 11 izay misy olona 20 ka hatramin’ny 25 eo isanisany, izany hoe : olona efa maherin’ny 200 no ho vesatra vaovao amin’ny volam-panjakana ? Raha hamapahatsiahy kely, ny faramparan’ny fitondrana Ravalomanana, tratry ny fanenjanan’ny mpamatsy vola rehefa nanana ny eritretreriny tsy nety loatra tamin’ny mpiara-miombon’antoka ny fitondrana. Nataon’ny mpanohitra fitaovana politika nandritra ny fanonganam-panjakana 2009 ny resaka fividianana fiaramanidina kanefa ny vahoaka nambara fa mahantra. Ny tsy nampitovy azy anefa dia nisonga kokoa ny toekarena satria efa fitaratry ny ONUDI isika tamin’izany, niaina kokoa ny vahoaka, nanodidina ny 3 miliara dolara ny tahirim-bola vahiny tao amin’ny Banky Foibe,… Ary izao manao ahoana ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Nifoha indray ny afera Jirama mikasika kolikoly goavana nahasaraingotra ireo mpitantana sasany.

Card image cap
14-mai-2024

Mbola mahatratra 50.000 ireo raharaham-pitsarana mihantona eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga

Card image cap
14-mai-2024

12 tapitrisa Ariary no vidin’ilay vola volamena 50 Ariary milanja 1 Oz na 31,104 grama,

Card image cap
14-mai-2024

Endrey izany fiedinedin’ireo mpanao politika, maneho ny antsoina hoe :

Card image cap
14-mai-2024

Mikolay ny mpampiasa sy mpikirakira internet nanomboka ny alahady tolakandro teo noho ny haratsian’ny

Card image cap
14-mai-2024

Lasa mpilalao sary mihetsika malaza i Marc Tatandraza.

Card image cap