airtel

Actualités

26-mai-2026

Mpivarotra eny amin’ ny

AVANCE CENTER

Sample post image

Tsy mpaniraka olona hivarotra amoron-dalana izahay!»

26-mai-2026

Nampahatsiahy ry zareo mpivarotra eo anivon’ny Avance center Behoririka ny faran’ny herinandro teo fa mbola misy ity tranombarotra lehibe eny an-toerana ity ary mbola vonona hanome ny tsara indrindra ho an’izay manjifa rehetra amin’ny toeram-barotra isanisany na eo aza ny fanamboarana ilay atao ivelan’ny tsena. Izahay mpandraharaha ato mihitsy, hoy izy ireo, no mandeha any ivelany maka ireo entana. Midika izany fa mahita mivantana ireo kalitao izy ireo ary afaka mifidy ny tsara indrindra ho amidy ho an’ny mpanjifa ihany koa. Nihena ny mpanjifa noho ny fitobaky ny mpifaninana any ivelany ary betsaka koa ireo toeram-pivarotana na Box voatery nihidy noho ny alafon’ny fiainana sy manoloana izany. Tsy marina ny hoe ny mpivarotr’ity tranombarotra lehibe ity no maniraka ireo mpivarotra amoron-dalana. Tsy mpaniraka hivarotra amoron-dalana izahay ary lainga ny filazàna fa sahirana ireny olona ireny! Tsy misy mahantra ireo. Aterina amin’ny fiara isan’andro ny entana amidin’ireo.
MILA RAISINA NY FEPETRA
Mangataka ny fitondràm-panjakàna ihany koa mba handray fepetra amin’ireo. Raha ny 90%n’ny mpanjifa tety Behoririka taloha dia mpankato, izao lasa 65% any. Ny bikan’ny any ivelany any sy ato nefa no mitovy fa ny kalitao tsy mitovy. Anjaran’ny fanjakàna no manadio ny fifaninanana amin’ny varotra sy fanjifàna mba samy hiditra amin’ny ara-dalàna daholo ny rehetra fa maty ny tsenan’ireo manara-dalàna, hoy hatrany ireto mpivarotra ireto niantso fampanarahan-dalàna.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-mai-2026

Manohana ny Fanavaozana ary handray

Card image cap
26-mai-2026

Tsy fisehoana hoe hitondra mba

Card image cap
22-mai-2026

Tsy anaty kitapombolam-panjakana ny fitakiana, tsy zo iny fa « prime » !»

Card image cap
22-mai-2026

Tsy tokony ho be kolikoly sy hamoritra vahoaka ny manamboninahitra »

Card image cap
22-mai-2026

hoy ny Filohan'ny Synad

Card image cap
22-mai-2026

ireo hisakafo ao amin’ny PHO Resto

Card image cap