Foano daholo ny mpivarotra amoron-dalana rehetra fa tsy izahay ihany hoy ireo mpivarotra amoron-dalana sasantsasany etsy amin'ny Petite Vitesse. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia tapitra afak'omaly Talata 26 May ilay fe-potoana 15 andro nomen'ny kaominîna Antananarivo renivohitra nahafahan'izy ireo mivarotra teny ivelan'ny tsena. Tsy maintsy miditra any anaty tsena amin'izay izy ireo manomboka izao hamahana ny olan'ny fifamoivoizana sy ny fitohanana lavareny mitranga isan'andro eny amin'iny Faritra iny ary ny moto.miparitaka etsy sy eroa. Toraka izany koa ny tsy fandriampahalemana. Tsy manaiky io fandaminana anefa ireo mpivarotra sasantsasany. Milaza ho nihindram-bola tamin'ny banky mantsy ny sasany nahafahany nivarotra ....kanefa amin'izao tsy maintsy hafindra toerana....Nisy ny hetsika notante-rahin'izy ireo nentina nanoherana izany afak'omaly Talata. Misy kosa anefa ireo tsy nanohitra fa manaiky fandaminana. Ny tsena ao anaty rahateo mbola malalaka. ZNa izany aza tsy mihemotra amin'ny fampanarahan-dalana sy ny fanabeazana ny olom-pirenena ny kaominîna. Ho hampidirana ao anaty tsena avokoa izy ireo fa tsy hisy ho diso anjara na dia iray aza. Efa nisy ny ezaka nataon'ny kaominîna sy ny Polisim-pirenena tamin'ny fandaminana azy ireo mba hisian'ny fiaraha-monina tsy mirindra tsy misy disadisa.
Nangonin'i Pati
Légende : Mbola malalaka tahaka izao ny ao anatin'ny tsenan' ny Petite Vitesse !