airtel

Actualités

17-mai-2024

Mpizahatany tonga eto Madgasikara

Nisy fiakarany 12% ny volana aprily teo

Sample post image

Nitombo 12% tamin’ny volana aprily teo raha oharina ny tamin'ny volana aprily 2023 ny mpizahatany

17-mai-2024

tonga teto Madagasikara, araka ny tatitry ny Minisiteran’ny fizahantany, notaterin’ireo vaovao an’habaka. 20 895 ireo vahiny tonga nisitraka ny hakanton’i Madagasikara tamin’io volana aprily lasa teo io, raha toa ka 18 657 tamin’ny taon-dasa tao anatin’ny vanim-potoana mitovy. Na nisy aza ny fihatsarana, mbola io raha oharina ny tamin'ny aprily 2019, talohan'ny nahatongavanan'ny aretina Covid-19 teto Madagasikara, izay 24 035 tamin’izany. Ho an’ny efa-bolana voalohan’ity taona ity indray, dia 57 778 ny isan'ny mpizahantany tonga teto amintsika. Niakatra 14,5% izany raha oharina ny tamin'ny efa-bolana voalohany tamin'ny taon-dasa, izay 50 447. Mbola latsaka hatrany amin’ny talohan’ny nidiran’ny covid-19 anefa satria nahatratra 65 070 ny mpizahatany tonga teto tao anatin’ny vanim-potoana mitovy. Na misy aza ireo fihatsarana, mbola tsy tena voatrandraka na marefo ny fizahantany eto, mbola verezin’ny atsy amin’ny Nosy Maurice lavitra satria raha manodidina ny 300 000 isan-taona ny antsika amin’izao, ary tanjona ny hanatratra 500 000 ary ary aorian’izay 1000 000 dia efa 3000 000 isan-taona kosa ny any amin’io nosy izay kely mihoatra antsika io, ary raha harena voajanahary sy zavatra manintona dia verezintsika lavitra. Olana anefa ny fotodrafitrasa, làlana, tsy fandriampahalemana, faharipahan’ireo zava-manan’aina mampiavaka antsika,…
Toky R
Sary fanehoana

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap