airtel

Actualités

30-juil-2026

MPIZAIKA AO ANKARAMALAZA

Tovolahy iray maty natelin'ny rano

Sample post image

Tovolahy iray vao 19 taona monja mpizaika

30-juil-2026

no fantatra fa maty nilomano tao amin'ny ranon'Ambahive Ankaramalaza ny 26 Jolay lasa teo tamin'ny 04 ora hariva. Raha araka ny fantatra dia hanatrika zaikabe any an-toerana no anton-dian'ity tovolahy ity. Nilomano niaraka tamin'ny namany anefa izy nandritra izany ka natelin'ny rano. Efa nentina haingana nihazo tobim-pahasalamana izy rehefa tafavoakan'ny olona tao anaty rano, saingy tsy tana intsony ny ainy, na dia efa niezaka mafy namonjy azy aza ireo mpiasan'ny fahasalamana. Nanao antso moa ireo mpiandraikitra ny zaikabe any Ankaramalaza manoloana izany ka nanentana ireo mpivahiny any an-toerana mba tsy hirobo-drano na hilalao rano amin'ny toerana mety hampidi-doza, mba hisorohana ny loza tahaka izao sy hiarovana ny aina, izay marihina fa tsy hananam-piry. Tsiahivina fa misy hatrany ny olona maty an-drano rehefa fotoanan'ny vakansy lehibe tahaka izao. Ho an'i Majanga manokana dia tsy latsaky ny 3 isan-taona eo ho eo izany ka ilana fitandremana fatratra.
Nangonin'i Pati
Légende : Ilay zazalahy namoy ny ainy avy nalaina tao anaty rano !
 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

karaman’ireo depiote hamahana delestazy ! »

Card image cap
16-sept-2026

Mbola tsy mivaha tanteraka ireo

Card image cap
16-sept-2026

124 miliara dolara ho an’i Afrika, zara raha 406 tapitrisa dolara ny antsika

Card image cap
16-sept-2026

Niverina ofisialy omaly 15 septambra 2026

Card image cap