airtel

Actualités

20-avril-2026

Mponina eny amin’ny Akamasoa

Nametraka fitoriana manoloana

Sample post image

ny fanenjehana ny Mopera Pédro

20-avril-2026

Tsy misehatra amin'ny resaka politika ny fikambanana Akamasoa, hoy ireo mponina eny amin’ity toerana fanarenana mahantra natsangan’ny Mopera Pédro Opeka, eny Andralanitra ity ny faran’ny herinandro teo. Tsy tokony ampiasaina amin'ny resaka politika ny anaran'ny Mopera Pédro, hoy izy ireo. Nanamafy izy ireo fa tsy manafina fitaovam-piadiana na mitazona olona ny fikambanana. Manameloka ny tsaho mahakasika an'ity raiamandreny mpiahy azy ireo ity ny vahoaka monina eny amin'ny Akamasoa. Raisina ho fandotoana an'i Mopera Pedro ny zava-mitranga, hoy ireo mponina. Izy izay manao ny ainy tsy ho zavatra amin'ny fanampiana ireo mponina eny amin'ny Akamasoa. Miantso ny fitondram-panjakàna handray fepetra manoloana ny tsaho miely, noho izany, ny mponina. Nomarihin'izy ireo fa manodidina ny 4 alina isa ireo mponina eny an-toerana, eo ambany fitantanan'i Mopera Pedro ka trano manodidina ny 5000 isa, izay no naoriny honenan'izy ireo ankehitriny, hoy hatrany ny fampahatsiahivana sy fampitàm-baovao voaray. Nametraka fitoriana eny amin’ny borigady misahana ny heloka bevava manoloana ny heverin’izy ireo fa fanenjehana sy tsaho mihatra amin’ity Mopera ity moa, noho izany rehetra izany, ireto mponina ireto.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

10-sept-2026

Miahiahy sy miampanga olom-boafidy TGV ireo voakasika

Card image cap
10-sept-2026

tokony hahintsy ny fifidianana!»

Card image cap
10-sept-2026

ny volan’ny orinasan-dRajoelina

Card image cap
10-sept-2026

Niseho tamin’ny alalan’ny « visioconférence »

Card image cap
10-sept-2026

Hovitaina mialohan'ny faran'ny taona

Card image cap
09-sept-2026

rano fisotro madio tsy tapaka ny fanjakana

Card image cap