airtel

Actualités

04-nov-2025

MVola

Nandiso ireo tsaho sy vaovao diso

Sample post image

Nitondra fandisoana ofisialy sy

04-nov-2025

fanintsiana ny M-Vola manoloana ireo vaovao tsy marina na « fake news » niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy. « Ny tsy fahafana niditra tamin’ireo tolotra MVola dia noho ny olana ara-teknika, vokatry ny fanavaozana ireo rafitra. Tsy misy fifandraisana amin’ny olona na zava-mitranga ivelan’ny orinasa », hoy ny fanazavana ofisialy. Niasa andro aman’alina ny Ekipan’ny MVola namerenana amin’ny laoniny ny fahafahana miditra amin’ireo tolotra, hoy hatrany ny fanazavana. Manara-maso akaiky ireo vaovao mahakasika azy sy ny ekipany ny MVola ary milaza handray fepetra raha misy fampielezam-baovao diso na « fake news », ary ny nisaotra ny mpanjifany amin’ny fahatokisana. Efa niverina amin’ny laoniny moa ny fikirakirana ity tambajotra fikirakirana vola amin’ny alalan’ny finday ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-juil-2026

125 Miliara Ariary eo hatreto ny kaonty nogiazana

Card image cap
17-juil-2026

Miara-miasa amin’ny rafitra iraisampirenena ny ARAI

Card image cap
17-juil-2026

Vao nanomboka dia nangotraka ny delestazy...

Card image cap
17-juil-2026

Misy mibodo ny tanin'ireo mponina

Card image cap
17-juil-2026

marika World Cola ny mpanankato Denise.

Card image cap
17-juil-2026

mampanahy raha tsy miara-mientana isika»

Card image cap