airtel

Actualités

09-avril-2024

Nanolana ny zanany nandritry ny 4 taona

Lehilahy iray nosamborina tao Ambositra

Sample post image

Voasambotra ny sabotsy teo ilay raim-pianakaviana nanolana ny zanany nandritra ny 4 taona,

09-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray omaly tao Ambositra tampon-tanàna. Vao 4 taona monja no efa naolany tao ny zanany vavy ary tsy nijanona izany raha tsy efa nanda tsy hiray aminy intsony ny zaza rehefa feno 8taona. 14taona ilay zaza izao ary dia nilaza ny marina rehefa nitranga ny aretina amin'ny fivaviany. Nisaraka izy mivady ary dia napetrak’i ramatoa tany amin'ny renibeny avy amin'ny reniny ilay zaza fa izy kosa nandeha nikarama. Tamin’io fotoana io no nohararaotin'ny rainy alaina ilay zaza rehefa tsy mianatra ary nanaovany ny filan-dratsiny dia ateriny mody avy eo. Nipetraka teny Ambohibary ilay zaza ary entiny mody tao Ampivarotan’omby. Niakatra «parquet» na fampanoavana omaly ny raharaha koa dia ankinina amin'ny fitsarana ny tohiny. Ilay reniny kosa dia mitazona hatramin'ny farany ny fitoriana, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap