airtel

Actualités

07-avril-2026

Narison Stephan

«Tandremo fa henjana ny

Sample post image

rosianina ary manana tanjona hanjaka eran-tany!»

07-avril-2026

Ireo niaina tamin’ny andron-Ratsiraka dia nahatsapa fa tsy nitondra lavitra ny fiaraha-miasa tamin’ny rosianina ary niverin-dalana nankany amin’ny tandrefana izy, hoy ny kandida ho filoham-pirenena malagasy teo aloha, Narison Stephan. I Poutine nianga tsy «gradé» na tsy nanana galona tao amin’ny KGB, hoy izy, dia niakatra «Officier» na manam-boninahitra tao amin’ny «Service contre-espionnage», izany hoe sampan-draharaha manohitra ireo mpitsikilo, nalefa tany Dresde, Alemanina atsinanana. Rehefa rava ny rindrin’i Berlin dia nantsoin'ny mpampianany teo aloha, ben’ny tanànan'i Leningrad / Saint Petersbourg, ho mpanolontsaina izy ny taona 1991. Voaray tao amin’ny fiadidianan’ny repoblikan'i Boris Eltsine (1996-1999) ary Nanavotra azy tamin’ny tranga mamohahenatra na «scandale» nataony ny taona 1998 sy 1999. Filoha mpisolo toerana ny taona 1999, rehefa nametra-pialàna i Boris Eltsine ary lasa filoha ny 26 martsa 2000. Nalahelo ny faharavan'ny URSS i Poutine ary ny tanjony dia hamerina io «prestige» na fisandratana very io. Ny «terrain de Jeu» na kianja ilalaovan'i Poutine sy Milice Wagner taloha sy vaovao dia Afrika sy Madagasikara! Be fihetseham-po ny afrikanina sy gasy satria mahatsapa fa tsy tena mbola mahaleotena ireo voababo taloha. Hanala ny «influence» na fifehezan'ny mpanjanaka ny rosianina ary efa ela no nandefa ny Milice Wagner tao Afrika sy Madagasikara na tsy mitabataba aza. Tsy mankahala rosiannia aho satria niara-niasa ary mbola miara-miasa amin’ny mpikaroka rosianina tao amin’ny fikarohana High-Energy Physics na HEP sy nokleary lehibe ao Moscou ary mbola mitohy ny fiaraha-miasa hatramin’izao. Maro koa ireo rosianina manatrika ny «Conférence QCD» eto Montpellier nanomboka tamin’ny 1985. Ny tsapako dia sahirana amam-bola rizareo satria mangataka fanampiana foana isaky ny ho avy aty Montpellier hiasa sy hamonjy kaonferansa. Hitako koa tamin’izaho tany Moscou, tamin’ny andron'ny Perestroika an’i Gorbatchev, fa tena sahirana ny mponina ary mbola mitohy izany hatramin’izao ! Heveriko fa lany amin’ny fiarovana sy voninahitry ny miaramila ny vola fa tsy hanaovana asa sosialy! Tadidiko tsara tamin’ny diako tany Moscou ny taona 1985 dia nilahatra lava be ny moscovite, izany hoe ireo mponina ao Moscou, renivohitr’i Rosia, hividy Hamburger fa vao nisokatra i Mac-Do. Rehefa mankany amin’ny toeram-pisakafoana dia nitondra karne sy ny toy izany. Nisy nangalatra ny Jean sy fakàn-tsariko nitaingana Aeroflot nanao «transit» na fifindràna tao Moscou ho aty Madagascar. Tandremo ihany fa aza dia mijoboka tsy mandinika fa henjana ny rosianina ary manana tanjona hanjaka eran-tany! Mitovy amin’i Trump i Poutine fa hafa ny stratejiany! Fantaro fa «régime autoritaire» na tsy refesi-mandidy ary tsy manaja ny zon'olombelona i Rosia amin’izao fotoana izao, hoy hatrany ny tenany!
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap