airtel

Actualités

06-mai-2026

Natosiky ny vadiny

avy amin’ny rihana ambony ?

Sample post image

Lehilahy iray maty tsy tra-drano teny 67Ha

06-mai-2026

Nisehoana tranga mampalahelo teny 67Ha omaly maraina. Niparitaka ny filazana fa lehilahy iray no natosiky ny avy eny ambony rihana ambony, rehefa niady izy ireo, ka nianjera latsaka taty ambany, ary maty tsy tra-drano. Efa teny an-toerana kosa ny mpitandro filaminana manao ny fanadihadiana. Ny mpitandro ny filaminana mazava ho azy no mety hamaritra ny tena zava-nitranga miainga amin’ny fanadihadiana sy famotorana. Nisy moa ny fanamarihana nataon’ny olona iray antsoina hoe Naf Rovatiana Israel, voalaza fa mpiara-monina, nanamarika tsy tao amin’ilay trano navoaka tamin’ny tambajotran-tserasera io zava-nitranga io fa tany amin’ny trano ambadika hafa. Mbola tsy mazava tsara hoe novonoin’ny vady ilay lehilahy. Raha ny fantatra dia izy mivady irery no tao amin’ilay trano. Ny hany fantatra dia matetika miady izy roa, saingy ilay lehilahy dia olona tony, tsy tia miresaka, ary tsy mamaly mihitsy rehefa misy ady, hoy ny fitantarana. « Nianjera avy eny amin’ny varavarankely amin’ny rihana faha 4 ilay lehilahy. Nidina avy hatrany ny Ramatoa nilaza tamin’ny olona teny ambany hoe: “Latsaka avy any ambony ny vadiko, mba vonjeo.” Nandeha nijery tany ambadika ny olona ka nahita azy tao amin’ny tokotany efa tsy nahatsiaro tena, vaky be ny lohany. Niantso taxi ny olona hanaterana azy any amin’ny hopitaly satria mbola nisy aina izy. Nabataina avy any ambadika izy, saingy rehefa tonga dia efa tsy nisy aina intsony. Tsy nety nitondra azy intsony ilay taxi nahita ny rà be sy ny loha vaky. Vao nahita izany ny Ramatoa dia nitsoaka, tsy sahy nijery. Tsy maintsy navelan’ny olona teo izy satria efa maty. Nisy niantso polisy avy eo ary niandry ny fandaminana », hoy hatrany ny fitantarana. Rehefa tonga ny polisy dia nilaza ny Ramatoa fa namerina jiron-dry zareo maty ilay rangahy, ary izy natory no naheno feo nidoboka mafy vao nifoha. Nefa ny varavarankelin-dry zareo tsy misy famerenana jiro avy aty ivelany fa ao anatiny. Ny manodidina nilaza fa efa niady izy mivady hatramin’ny alina, talohan’ny nahalatsahan’ilay lehilahy, hoy hatrany ny ampahan’ny fitantarana tamin’ny tambajotran-tserasera. Ny famotorana sy fanadihadiana no mety hanamarina na handiso an’io, fa dia andrasana ny tohiny !
Nangonin’i Toky R

 

Dans la même rubrique

06-mai-2026

no hampandroso na inona rafitra eo!»

Card image cap
06-mai-2026

Ny mpanao politika mifampiaro, ny vahoaka mifafa ny kihony…

Card image cap
06-mai-2026

Nilaza aho ny taona 2022 fa hiverina

Card image cap
05-mai-2026

Niainga tao amin’ny seranam-piaramanidina

Card image cap
05-mai-2026

5000 miliara Ar no hatokan’ny UE

Card image cap