Faritra Itasy, ny 11 Martsa teo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia naharay fitarainana ny mpitandro ny filaminana any an-toerana fa nisy fanolanana tao amin'ny Fokontany Ampaisokely, Kaominina Miarinarivo tamin’io andro io. Lehilahy mpitaiza ilay zaza ihany io nanolana azy io, hoy ny loharanom-baovao azo. Tamin'ny fotoana tsy nahatao an-toerana ny vadin’io mpitaiza io no nanamparany ny filan-dratsiny tamin’ilay zaza. Efa nosamborina moa ary efa niakatra teny anivon’ny fampanoavana afak’omaly Alatsinainy 25 Martsa ny raharaha. Naiditra am-ponja vonjimaika noho izany ilay lehilahy 26 taona mpitaiza io. Raha araka ny lalana moa dia fantatra fa mety ho avo roa heny noho ny sazy mahazatra ny hahazo ireo olona heverina ho Ray aman-dReny maodely ary mitaiza zaza nefa mivadika amin’ireto farany ho lasa mpanolana tahaka izao. Anisan’izany ohatra ny mpitaiza tahaka ity lehilahy ity, ny mpampianatra, ny mpitandrina….
Pati
Legende Ity ilay mpitaiza nivadika
Avo lenta ny endrika isehoan’ny kolikoly eny anivon’ireo sampan-draharaham-panjakana eto amintsika.
Ory hava-manana ny malagasy, hoy ny fomba fiteny heno matetika taty amin’ny taonjato faha 20.
Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako no ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny
Hotanterahana any Adis-Abeba ny 15-16 febroary izany hoe : ny sabotsy sy alahady izao ny
Tsy mitsahatra ny mitady izay fomba hanomezana fahafaham-po antsika mpihaino ny TOP RADIO FM 102.8.
Tena mampiady ny firehana politika tsy mitovy. Tsy ho an’ny olom-pirenena tsotra samy maneho hevitra dia