Lany teny amin’ny Antenimierampirenena ny volavolan-dalàna laharana faha-006-2026/PL, momba ny politkan’ny fampiasana Teny sy ny Zo momba ny Teny eto Madagasikara. Tolo-dalàna mikendry ny hametraka politika mazava momba ny fampiasana ny teny eto amin’ny Firenena sy hiantoka ny zon’ny olom-pirenena amin’ny fampiasana ny fiteniny, izay natolotry ny Solombavambahoakan’Antananarivo III, Rakotoaritiana Navalona Francky. Araka io volavolan-dalàna io, dia tsy maintsy hisy dika amin’ny teny Malagasy ireo taratasim-panjakana, antontan-taratasy mifandraika amin’ny asa, ary koa ireo didim-pitsarana. Tanjona amin’izany ny fanamafisana ny fampiasana ny teny Malagasy eo amin’ny sehatra ofisialy sy ny raharaham-panjakana. Hanamora ny fahazoan'ny olom-pirenena ny votoatin'ireo antontan-taratasy sy hanome lanja bebe kokoa ny teny malagasy izany. « Tsy misy firenena manana ny teniny ka teny hafa no entiny iainana amin’ny andavanandro », hoy ny solombavambahoaka, Rakotoaritiana Navalona Francky. Nanamafy io depiote io, fa ao anatin’ny lalàmpanorenana dia ny teny Frantsay sy Malagasy no teny ofisialy, saingy latsa-danja ny fampiasana ny teny Malagasy, indrindra amin’ny raharaha ara-panjakana satria any amin’ny 90% mahery dia ny teny Frantsay no ampiasaina sy mibahan-toerana. Hita izany amin’ny didim-pitsarana, fifanarahana arak’asa, tondro sy takelaka amin’ny biraom-panjakana na seranam-piaramanidina na ny maro hafa. Mametraka ny politika ankampobeny momba ny zotra sy ny fampiasana ny teny Malagasy. Rariny raha adika amin’ny teny Malagasy ireo raharaha ara-panjakana satria ny 80% amin’ny Malagasy no tsy mahafehy ny teny Frantsay, lasa mandany vola amin’ny mpisolovava, vadin-tany,… fa raha amin’ny teny Malagasy dia azon’ny rehetra. Ny fifanarahana arak’asa amin’ny teny Frantsay, izay rariny raha adika amin’ny teny Malagasy satria betsaka ny mpiasa sy asa tsy mitaky diplaoma, toy ny orinasa afak’haba, ka raha misy fandroahana ohatra dia tsy fantany akory ny zony, ny votoatin’ny fifanarahana. Lalàna fototra entina iaingana izy ity, fa ireo andrim-panjakana sy ny deparatemantam-panjakana no erany, indrindra fa amin’ny didy fampiharana azy io. Maro ny asa mbola miandry eo amin’ny fampiharana, hahafahana manangona ny voambolana rehetra ampiasaina isaky ny sehatra, ny biraom-panjakana, ny sampandraharaham-panjakana. Isan’ny niara-namolavola sy angady nanana ity lalàna ity moa ireo mpampianatra mpikaroka sy manam-pahaizana mikasika ny teny Malagasy indrindra fa ny eo anivon’ny « Zana-tsehatra Malagasy » na ny SteLaRiM) (Sampana Teny sy Lahabolana ary Riba Malagasy) na koa DLLM (Departement des Langues et Lettres Malgaches) fahiny eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo, izay tarihin’ny Pr Jeannot Fils Ranaivoson. Mahasamihafa azy ity amin’ny « fanagasiana » tany aloha moa dia tsy manery fa ny teny Malagasy irery no ampiasaina satria eto dia misokatra amin’ny fanatontoloana, tsy manilika ny tenim-pirenena hafa, fa kosa manome lanja ny teny Malagasy izay iraisana sy iombonan’ny Malagasy.
Toky R