nandaniana volam-bahoaka havela ho simba sy haolo"
Tontosa ny sabotsy 31 janoary 2026 teo ny fanokanana ny gymnase sy ny biraon’ny Commissariat de Police vaovao ao Betafo, notarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara mivady, niaraka tamin’ny Mpanolontsaina Avon’ny Fanavaozana mivady. Nosokajiana ho fotodrafitrasa lehibe mitondra fanantenana sy hery vaovao ho an’ny mponina ao an-toerana izao notokanana izao, satria antenaina hanamafy ny fandriampahalemana sy ny fiarovana ny olona ary ny fananany. Nandritra ny lahateniny, nanamafy ny Filohan’ny Fanavaozana, Kolonely Randrianirina Michaël, fa tsy tokony hisy fotodrafitrasa natsangana tamin’ny volam-panjakana ho simba na ho haolo. “Izay ariary mivoaka ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana dia tokony hisitraka izany ny vahoaka Malagasy,” hoy izy nanamafy. Notsindriany fa tsy voafetra amin’ny rafitra politika fotsiny ny fanavaozana, fa mitaky fanovàna toe-tsaina sy fihetsika, indrindra amin’ny fitantanana ny vola-bahoaka. Nanasongadina ihany koa ny Kolonely Randrianirina fa tsy ampy ny fananganana fotodrafitrasa raha tsy arahina fanovana toe-tsaina. Nanentana manokana ny Polisim-pirenena izy mba hanana fomba fisainana vaovao, mifanaraka amin’ny andraikitra masina iantsorohany sy ny foto-drafitrasa manara-penitra napetraka. Taratry ny fisainana vaovao entina amin’ny Fanavaozana sy ny fitantanana ny raharaham-pirenena izany, hoy hatrany ny Filoham-panjakana. Betafo dia faritra mamokatra ara-pambolena, indrindra amin’ny vokatra toy ny ovy. Na izany aza, ny tsy fandriampahalemana no iray amin’ireo sakana lehibe manakana ny tantsaha tsy hampitombo ny famokarany, ka nanamafisana fa tena manan-danja ny fotodrafitrasa vao vita. Midadasika ny distrika, ary tsy nahazaka intsony ny filan’ny mponina ny fotodrafitrasa fitandroana ny filaminana efa nisy hatrizay. Izany no antony lehibe nananganana ity commissariat vaovao ity, izay antenaina hanome vahaolana amin’ny olana ara-piarovana sy hanampy amin’ny fampandrosoana ny faritra. Nanatrika ny lanonana ny manam-pahefana maro, anisan’izany ny Filohan’ny Antenimierampirenena, parlemantera sy mpikambana ao amin’ny Governemanta, ary ireo tomponandraikitra tany an-toerana notarihin’ny Lehiben’ny Faritra sy ny manampahefana samihafa. Nitarika izany ny Filoham-panjakana, Kolonely Randrianirina Michaël, sy ny Mpanolontsaina Avon’ny Fanavaozana, Kolonely Rampanarivo Thierry.
Toky R