airtel

Actualités

01-juin-2026

NY AINA VAO NY FANAVAOZANA

Nanao arosazy ny faharesen-dRajoelina

Sample post image

Nanao arosazy ny faharesen-dRajoelina

01-juin-2026

ny Aina Vao ny Fanavaozana tarihin'Atoa Mamody Joly. Lanonambe narahina fiaraha-misakafo no nanamarihan'ireo mpikambana an'arivony manerana ny Nosy izany afak'omaly Sabotsy 30 May tetsy amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina. Omby miisa 2 no novonoina natao nofonkena mitam-pihavanana. Teraka tamin'io afak'omaly io ihany koa mantsy ary nampahafantarina tamim-pomba ofisialy ny fijoroan'ny fikambanana Ny Aina Vao ny Fanavaozana izay hitondra aina ho an'izao fitondrana izao ary manohana azy tanteraka. Tanjon'ny fikambanana ny hifanome tanana amin'ny fampandrosoana ny firenena. Hanitsy sy hanolotra soso-kevitra ihany koa raha sanatria ka misy zavatra tsy mety hanafainganana ny asa fampandrosoana. Hiompana amin'ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena hatao ny 03 Jona ho avy izao aloha ny asa tena hilofosan'ny fikambanana ho enti-manangona ireo hevitra avy eny ifotony mba hisian'ny tena fanavaozana marina eto amin'ny tany sy ny firenena.
Pati
Légende : Ireo mpikambana eo anivon'ny AVF !
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap