airtel

Actualités

01-juin-2026

NY AINA VAO NY FANAVAOZANA

Nanao arosazy ny faharesen-dRajoelina

Sample post image

Nanao arosazy ny faharesen-dRajoelina

01-juin-2026

ny Aina Vao ny Fanavaozana tarihin'Atoa Mamody Joly. Lanonambe narahina fiaraha-misakafo no nanamarihan'ireo mpikambana an'arivony manerana ny Nosy izany afak'omaly Sabotsy 30 May tetsy amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina. Omby miisa 2 no novonoina natao nofonkena mitam-pihavanana. Teraka tamin'io afak'omaly io ihany koa mantsy ary nampahafantarina tamim-pomba ofisialy ny fijoroan'ny fikambanana Ny Aina Vao ny Fanavaozana izay hitondra aina ho an'izao fitondrana izao ary manohana azy tanteraka. Tanjon'ny fikambanana ny hifanome tanana amin'ny fampandrosoana ny firenena. Hanitsy sy hanolotra soso-kevitra ihany koa raha sanatria ka misy zavatra tsy mety hanafainganana ny asa fampandrosoana. Hiompana amin'ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena hatao ny 03 Jona ho avy izao aloha ny asa tena hilofosan'ny fikambanana ho enti-manangona ireo hevitra avy eny ifotony mba hisian'ny tena fanavaozana marina eto amin'ny tany sy ny firenena.
Pati
Légende : Ireo mpikambana eo anivon'ny AVF !
 

Dans la même rubrique

23-oct-2026

Sinoa iray tratra nitondra volamena

Card image cap
23-oct-2026

Manome lanja ny tontolon’ny

Card image cap
23-oct-2026

Misy vatsim-pianarana 12 hiofanana atsy Maorisy

Card image cap
23-oct-2026

Hiverina amin’ny heriny, eny

Card image cap
22-oct-2026

tohin’ny afera Nosy Be Hell Ville…

Card image cap
22-oct-2026

Notsipahan’ny HCC ny andininy miisa roa

Card image cap