Tsara tsiahivina, hoy ny mpanao politika sady mpahay tantara, Ny Antsa Rakotobe, fa fanjanahantany mamoritra na «colonisation d’exploitation» no nentin’ny frantsay teto, raha iverenana ny tantara. Nampiasaina faran’ny mafy, hoy izy, ny malagasy hampandrosoana an’i Frantsa. Notrandrahana ny harena stratejika, ny olona, ny harem-pirenena. Tsy hamela antsika ho tonga amin’ny fahaleovantena mihitsy ny frantsay raha jerena ny diplaomasia «France-Afrique» sy «France-Madagascar» nentin’ny frantsay ny fetim-pireneny tamin’ny 14 jolay teo na marihina eto foana aza ny datin’ny 14 oktobra 1958, nanombohan’ny repoblika voalohany, sy ny 26 jona 1960 hoe nanomezana fahaleovantena an’i Madagasikara. Efa naverin’ny filohan’ny fanavaozana io ary tsapan’ny malagasy rehetra mihitsy hoe mbola tsy mahaleotena i Madagasikara. Lafrantsa mihitsy no tena tsy mbola mamela antsika satria mbola te hanohy izay fanjanahana feno fitrandrahana izay. Tiany atao amin’ny endriny vaovao io ka anatin’izany io resaka diplaomasia sy ny karazany io. Tsy hiresaka nosy manodidina mihitsy izy noho izany, sao gaga isika, satria efa isan’ny fitrandrahana ataony eto Madagasikara io. Tsy ho androany mihitsy izany i Frantsa no hamotsotra an’io. Politikan’ny zarazarao hanjakàna no fomba nanjanahan’ny frantsay teto. Nozaraina ho faritàny miisa 6 i Madagasikara hanjakàny. Toetsainan’ny fiombonana no hanoherana zarazarao hanjakàna raha tiantsika ny hanohitra an’io politika io. Izay rehetra mankàny amin’ny fampizarazaràna ny malagasy, noho izany, dia tokony hialàna. Izay hampitambatra ny malagasy ho iray sy iray fotokevitra no tokony atao tanjona hanoherana ihany koa ireo mpanao «capture d’état» na mpamikitra fahefàna. Endri-panjanahana vaovao ankehitriny daholo izany. Ny firaisankinantsika malagasy hidirana any amin’izany fifampidinihan’ny samy malagasy izany ary tsy tsabatsahan’ny vahiny no tokony imasoantsika malagasy. Tadidintsika fa taorian’ny dinika mikato-trano nataon’ireo heverina fa hitarika ny fikaonandoham-pirenena ny jona dia nivoaka avy eo ny fehinkevitry ny SADC izay nametra hoe ireto sy ireto avy no azonareo sy tsy azonareo atao. Zaran’ny olona aza tsy mandeha io fikaonandoham-pirenena io. Nisafotofoto teo indray isika ary nivoaka avy eo ny resaka halatr’olona sy ny toy izany. Atao mihitsy izay tsy andehanan’ilay fikaonandoham-pirenena satria misy mahazo tombontsoa amin’izany na isika eto Madagasikara na ny any ivelany. Misy efa te hiroso amin’ny fifidianana anatin’io rafitra sadasada io. Raha tsy mandeha nefa ny diniky ny samy malagasy dia ho azo antoka ve fa hangarahara ny fifidianana rahampitso sy rahafakampitso? Alefàso ny fikaonandoham-pirenena miainga eny amin’ny fokontany, tarihin’ny FFKM. SADC izany tomponandraikitry ny krizy niverimberina teto amin’ny firenena, hoy hatrany ity filoha lefitry ny vovonana politika KFIM ity!
J. Mirija