airtel

Actualités

19-avril-2024

Actualités

Olana ara-pitiavana Raim-pianakaviana maty notsatohan’ny sakaizany ny antsy

Sample post image

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

19-avril-2024

distrikan’i Mahajanga II. Adin'ny samy mpivady ny Talata tolakandro teo no niatombohan’ny tantara raha ny vaovao azo. Olana ara-pitiavana no nifamaliana ka rehefa nihitatra izany dia notsatohan-dramatoa sakaizany antsy ilay rangahy. Mbola nentina notsaboina niatrika fandidina teny amin'ny hopitaly Itompokolahy saingy ora vitsy taorin'izay dia tsy tana intsony ny ainy. Mpamily manao ny zotra nasionaly mampitohy an'i Mahajanga sy Antananarivo ary Mahajanga sy Antsiranana Itompokolahy, raha tsiahivina. 30 taona no mihoatra izao no niasa tao amin'ny koperativa kofmad, hoy ny vaovao. Noho ny fangatahan'ireo namana sy mpiara-miasa akaiky aminy dia nandrasana tao amin'ny tobi-piantsonana nasionaly Aranta ny nofo mangatsiakany afak’omaly alina. Efa tonga tany an-toerana rahateo ny fianakaviny vao naheno ny fahafatesany ka naka nitondra azy eto an-drenivohitra omaly Alakamisy 18 Aprily. Efa notazomina eny anivon'ny mpitandro ny filaminana hatao famotorana kosa ilay Ramatoa ary hatolotra ny fampanoavana amin’ity faran’ny herinandro ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Mpiasan’ny koperativa efa tranainy indrindra teto Mahajanga Ratompokolahy !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap