airtel

Actualités

17-juil-2026

OLONA HITA FATY

TENY TSIMBAZAZA

Sample post image

Lehilahy fa tsy vehivavy, tsy teo intsony ny masony 2

17-juil-2026

Nahitana fatin'olona efa may kilan'ny afo teo akaikin'ny vavahady miditra ao amin'ny valan-javaboahary Tsimbazaza omaly Alakamisy 16 Jona tamin'ny 08ora maraina. Lehilahy tokony ho 40 taona eo ho eo izy io izay tsy fantatra ny mombamomba azy. May avokoa ny vatany hoy ny vaovao azo ary nahitana toerana nisy afo teo akaikiny. Tsy tazana teo intsony ny masony roa. Araka ny fizahana voalohany nataon'ny tompon'andraikitra dia maty nihohoka teo amin’ny afo Itompokolahy ka izay no tsy nampisy ny masony intsony ary mety ho izy ihany no nandrehitra ilay afo mba nanafanany tena. Mangatsiaka rahateo ny andro. Izany afo izany no notombanana mety ho nitarika ny fahamaizany ary nitarika ny fahafatesany. Tany amin'ny tranom-paty moa vao fantatra fa lehilahy ilay namoy ny ainy fa tsy vehivavy.
Nangonin'i Pati
Légende : Nikarainkona lasa saribao tahaka izao ilay vatana mangatsiaka !
 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

Namonjy ny volany 100 000Ar, kinanjo natelin’ny rano i Dety

Card image cap
02-sept-2026

10 taona asa an-terivozona an-tranomaizina !

Card image cap
02-sept-2026

an'i Madagasikara amin'ny bisikileta

Card image cap