airtel

Actualités

17-juil-2026

OLONA HITA FATY

TENY TSIMBAZAZA

Sample post image

Lehilahy fa tsy vehivavy, tsy teo intsony ny masony 2

17-juil-2026

Nahitana fatin'olona efa may kilan'ny afo teo akaikin'ny vavahady miditra ao amin'ny valan-javaboahary Tsimbazaza omaly Alakamisy 16 Jona tamin'ny 08ora maraina. Lehilahy tokony ho 40 taona eo ho eo izy io izay tsy fantatra ny mombamomba azy. May avokoa ny vatany hoy ny vaovao azo ary nahitana toerana nisy afo teo akaikiny. Tsy tazana teo intsony ny masony roa. Araka ny fizahana voalohany nataon'ny tompon'andraikitra dia maty nihohoka teo amin’ny afo Itompokolahy ka izay no tsy nampisy ny masony intsony ary mety ho izy ihany no nandrehitra ilay afo mba nanafanany tena. Mangatsiaka rahateo ny andro. Izany afo izany no notombanana mety ho nitarika ny fahamaizany ary nitarika ny fahafatesany. Tany amin'ny tranom-paty moa vao fantatra fa lehilahy ilay namoy ny ainy fa tsy vehivavy.
Nangonin'i Pati
Légende : Nikarainkona lasa saribao tahaka izao ilay vatana mangatsiaka !
 

Dans la même rubrique

21-oct-2026

Natsikafon’ny PRRM fa

Card image cap
21-oct-2026

Mankaleo ilay kolikoly ! Soloy sy fongory izay tsy manjary !»

Card image cap
21-oct-2026

Mety hiteraka fahafatesana tampoka fa mba hamarino ! »

Card image cap
21-oct-2026

toavintsika ny fanajariana sy fananantany

Card image cap
21-oct-2026

olona hiara-kiasa aminy ny

Card image cap
21-oct-2026

Mbola lehibe ny fanamby hampisitraka

Card image cap