airtel

Actualités

20-mars-2025

ONG MANDA

Nampiofana momba ny fampivoarana ny maha-olona

Sample post image

Sakana tsy hahafahan’ny olona iray mandroso eo amin’ny fiainana ny

20-mars-2025

tsy fahafehezany ilay antsoina hoe : developpement personnel na ny fampivoarana ny maha-olona. Manomboka any amin’ny saina izay tefena mba hahalala hivoatra hahafahana manatratra ny tanjona tiana hokendrena. Nanome fiofanana mikasika izany ny ONG Manda eny Ambohijanaka. Ireo ankizy sahirana beazina ao amin’ity ivon-toerana ity no nahazo tombontsoa tamin’izany niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Andiany faharoa no notanterahina ny fiandohan’ny herinandro teo ao anatin’ilay fandaharan’asa Zara Tsiky. Tanjon’ny mpikarakara ny hananan’ireo ankizy fomba fijery miabo mahakasika ny fiainany manokana na inona na inona olana sedrainy. Angovo iray hahafahana mihoatra amin’ny fiainana rahateo izany indrindra manoloana ny hasarotan’ny fiainana izay mampitaraina fatratra ny maro ankehitriny. Tsiahivina moa fa efa am-polo taonany izao no niasa tamin’ny fanampiana sy fanasoavana ireo ankizy sahirana sy tsy manam-piahy eto an-drenivohitra sy ny manodidina ny ONG Manda. Hiantohana sakafo ireo ankizy ireo, hampianarina ihany koa no sady omena ny fahalalana tsara rehetra tokony ho azony.
Pati
Legende : Santionany amin’ireo ankizy sy tompon’andraikitra miara-miaina eo anivon’ny ONG Manda !
 

Dans la même rubrique

10-févr-2026

fanakorontanana sy tranga misesy fa efa vita kajy !

Card image cap
10-févr-2026

Ny servisy momba ny fitaovam-piadiana no tena lasibatra

Card image cap
10-févr-2026

Novonoin’ny olona tamin’ny 51 taona lasa»

Card image cap
10-févr-2026

Hamakivaky an’Atsinanana, Alaotra, Analamanga,…,

Card image cap
10-févr-2026

ny fanaraha-maso ny Fanjakana

Card image cap
10-févr-2026

Mariky ny fitiavana olona iray ny fanolorana

Card image cap