airtel

Actualités

07-août-2026

ORINASA

SOAVOANIO AO SAMBAVA

Sample post image

Hojerena ny fomba hampandehanana azy

07-août-2026

Mandalo any amin'ny Faritra SAVA iny ankehitriny ny Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana ny Kolonely Gervais Andriamiharitsoa. Nisy nandritra izany ny fitsidihany manokana ny orinasa SOAVOANIO izay mpamokatra voanio voalohany eto Madagasikara. Ity orinasa ity moa no miantoka ny 60% mahery ny vokatra voanio manerana ny Nosy, amin’ny alalan’ny velaran-tany mahatratra 5 000 hektara. Mpiasa maherin’ny 525 no mivelona ao aminy. Heverina fa anisan'ny andry lehibe amin'ny toekaren'ny Faritra SAVA arak'izany ity orinasa iray ity. Zava-dehibe amin'izao fandalovan'ny Mpanolo-tsaina Avo eo anivon'ny Fiadidian'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny kolonely ANDRIAMIHARITSOA Gervais izao ny fijerena akaiky ny olana iainana sy ny sakana eo amin’ny fampandehanana ny orinasa, mba ahitana ny fomba rehetra hanampiana sy hanohanana azy hampiroboroboana indray ny famokarana, ary hamerenana amin'ny laoniny ny hasin'ity orinasa manan-danja ho an'i Sambava sy Madagasikara ity. Nanotrona izany ny Lehiben'ny Faritra SAVA, Atoa Razanatsoa Brassilive David , Solombavambahoaka voafidy ao Sambava, Atoa Tokely Justin ary ireo tomponandraikim-panjakana isan-tsokajiny.
Pati
Légende : Nandritra ny fidinana ifotony notanterahin'ireo tompon'andraikitra ! 

Dans la même rubrique

11-sept-2026

Hivaly ny 12 oktobra ny fangatahan-dRavatomanga

Card image cap
10-sept-2026

Miahiahy sy miampanga olom-boafidy TGV ireo voakasika

Card image cap
10-sept-2026

tokony hahintsy ny fifidianana!»

Card image cap
10-sept-2026

ny volan’ny orinasan-dRajoelina

Card image cap
10-sept-2026

Niseho tamin’ny alalan’ny « visioconférence »

Card image cap
10-sept-2026

Hovitaina mialohan'ny faran'ny taona

Card image cap