Tan-dalàna isika, ao anatin’izao fivoriana izao, ny fitoriana rehetra ireo solombavambahoaka tsy afaka horaisina, fa rehefa tapitra ny fivoriana ara-potoana dia afaka mitory. Ny ato tsy hoe manana « immunité » izahay dia tsy azo toriana. Azo toriana, ary maro ireo depiote tsy nanaraka fitsipika nesorina tsy ho solombavambahoaka », hoy ny Filohan’ny Antenimierampirenena na ny PAN Siteny Randrianasoloniaiko omaly. Mpanao lalàna izahay, hoy izy, ka tokony ho modely amin’ny fanatanterahana ny lalàna, ka raha misy fitoriana tahaka izany, fa mbola mivory izahay, misy lalàna tsy maintsy arahina. Mazava ho azy fa ny raharaha fitoriana ireo depiote toa an-dry Lanto Rakotomanga izay notorian’ny Talen’ny serasera eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika Atoa Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia sy ny raharaha Naivo Raholdina izay notorian’olona maro no antony. Ny depioten’ny boriboriborintany faharoa dia voatory ho nanao kolikoly nentina nanagadrana an’i Rolly Mercia tsy ara-drariny nandritra ny 5 taona mahery. Naivo Raholdina kosa voatory amin’ny raharaha fangalaran-tany maro be miampy fikasihan-tanana, raha ny fanazavana efa nentin’ny Minisitry ny fitsarana. Efa nisy ny fangatahana fanesorana ny « immunité parlementaire » mikasika an’i Naivo Raholdina, saingy tsy fantatra mazava ny tohiny. Ity farany izay ny arofenitry ny antenimierampirenena no nandray azy teny Ivato, saingy voasambotra teny an-tranony teny Analamahitsy fotoana fohy taorian’ny fahatongavany avy any ampitan-dranomasina. Mazava ho azy fa mety misy ihany koa fa raharaha mahaliana ny an’i Lanto Rakotomanga, izay mety hitovana zavatra hafa toy ny raharaha fandripahana ala voajanahary, fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny anaran’ny andrim-panjakana,… saingy mbola miandry ny sitrapon’ny etsy Tsimbazaza izany. Tsy misy endrika fifampiarovana na « corporatisme » ve eo samy depiote ka mampihisatra ny raharaha ? Ankoatra izay, nilaza i Siteny Randrianasoloniaiko mikasika ny toe-draharaha politika fa ny fahazoana miteny dia malalaka eto Madagasikara, ny olona mikononkonona handeha hanongam-panjakana kosa ve dia horaisina fa valifaty politika. Nilaza i Siteny Randrianasoloniaiko fa demokraty, ary mbola tsy nanongam-panjakana hatramin’izay. Ny rehetra afaka miteny, ary vavolombelona ny mpanao gazety, tsy nisy olona teto tsy nidina sy tsy niteny teny andalambe na tsy naka alalana aza, fa ny olona manomana fanonganam-panjakana kosa tsy amiko tsy valifaty politika. Izaho mba lehiben’ny mpanohitra ihany, tsy nandray anjara tamin’ny 2002, 2009, 2018,… ary izaho no nanolotra ny HCC an’ity fitondrana fanavaozana ity ho ara-dalàna, hoy i Siteny Randrianasoloniaiko.
Toky R
Mitaraina ho nataon'ny mpanao politika fitadiavan-tseza fotsiny