no navoaka tamin’ny kianja Barea »
Tsy manombana sy manara-maso fotsiny fa manao fanadihadiana, ary betsaka ny afera tamin'ny fitantanan-dRajoelina ny 2019-2025, hoy ny Filohan'ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko omaly. Betsaka ny vola nivoaka tamin'ny kitapombolam-panjakana toy ny fanamboarana tanàna vaovao izay efa namoahana vola; ny kianja Barea izay voalaza fa 77 tapitrisa dolara kanefa 120 tapitrisa dolara no nivoaka. Hatramin'izao anefa tsy mbola nahazo fankatoavana ny kianja izay raha ny vola navoaka taminy dia mahavita kianja telo raha any ivelany raha ny filazan'i Siteny Randrianasoloniaiko. Nilaza ihany koa ity filohana andrim-panjakana ity fa namidy tao anatin'ny fotoana fohy ny sasany tamin'ireo fiara azo tamin'ny covid-19,... Tsy tambo isaina ireo afera ara-pitantana tao anatin'ny Fitondrana teo aloha, ary efa namoahan'ny Fitsarana momba ny kaonty tatitra fa manodidina ny 4000 miliara Ariary ny fanidikodinam-bola. Zava-dehibe ny fanadihadiana parlemantera amin'ny maha mpanara-maso ny mpanatanteraka ny Antenimierampirenena. Ho tonga hatraiza sy hanao ahoana anefa ny fanenjehana izay saika efa tsy eto ireo tena lohany tamin'ny fitantanana ny Firenena tamin'izany na ekena aza fa ampahany vitsivitsy migadra vonjimaika ? Efa re foana ny filazana fa nisy halatra goavana sy fanodinkodinana vola tsy toko tsy forohana fa inona ny paikady hamerenana na hanorenana izany? Inona no antoka fa tsy voaravondravona amin'ny fifanarahana sy fifandaminana ara-politika ireny atsy ho atsy? Inona no antoka fa tsy ho fombafomba fotsiny ny toy izao ka tsy hifampiaro toy ny fandrirarina ao Tsimbazaza ireo dosie tokony hatolotra ny HCJ ny mpanao politika ? Inona no arofanina sy fanovana hipetraka ka tsy hiverina intsony ny toy izao, tsy hisian'ny "capture d'Etat" na fambaboana Fanjakana entina hampanjakana ny kolikoly sy aferan'olom-bitsy? Rahoviana vao tena hizaka ny saziny ny mpitondra mafia ?
Toky R