airtel

Actualités

13-févr-2026

POLISIN’NY FIP AVY ETO

ANTANANARIVO Manampy sy miaro ireo traboina any Toamasina

Sample post image

Ny 11 Febroary alina teo no niainga ireo

13-févr-2026

Polisim-pirenena avy ao amin’ny Force d’Intervention de la Police (FIP) Antanimora, hanao iraka manokana ho fanamafisana ny firotsahana an-tsehatra amin'ny vonjy voina any Toamasina. Efa nanao ny asany izy ireo hatramin'ny omaly fotoana nahatongavany tany an-toerana. Polisy voatendry hamita iraka izay hanamafy ny fandriam-pahalemana sy hanohana ireo mpitandro filaminana any an-toerana ary handray andraikitra haingana amin’ny tranga rehetra mety ilàna izany, indrindra ireo toe-draharaha maika mifandraika amin’ny fanampiana sy fiarovana ireo traboina izy ireto. Ity hetsika ity dia porofon’ny fahavononan’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka sy ny Polisim-pirenena hatrany, hiaro sy hanampy ny vahoaka amin’ny fotoan-tsarotra ary hamerina haingana ny filaminana sy ny fandriampahalemana ao Toamasina.
Pati
Légende : Vonona tahaka izao ny Polisim-pirenena !
 

Dans la même rubrique

08-avril-2026

Nankatoavina i Dr Ibrahim Norbert Richard,

Card image cap
08-avril-2026

Nafana ny toe-draharaha tao Ambositra

Card image cap
08-avril-2026

Savoritaka no niafaran'ny Alatsinainy Paka 2026

Card image cap
07-avril-2026

paska ny mponin'i Mahazoarivo

Card image cap