airtel

Actualités

05-mai-2026

Pr Ange Andrianarisoa

«Mila lalàna afaka manasoa

Sample post image

vahoaka isika»

05-mai-2026

Heverina fa misy antony matoa samborin’ny fitondràna ankehitriny ny olon’ny fitondràna teo aloha, hoy ny sekretera nasionalin’ny antoko politika Arema, misahana an’Antananarivo, Pr Ange Andrianarisoa. Manoloana ny fivoizana ny rafitra tokana na «état unitaire» sy ny federalisma amin’izao fotoana izao, hoy izy, dia miankina amin’ny rafitra tiantsika hitondràna ny firenena ihany. Mila ampiharina ny lalàna misy na inona na inona atao. Ny tanjona dia ny mba hahafahan’ny tsirairay manatanteraka ny filàny amin’ny toerana misy azy avy. Raha misy tianao atao kosa ve amin’ny faritra iray ka hitanao fa mahasoa ny vahoaka ao dia tokony ho sakanana? Izany no tokony atao fa tsy hoe mila miandry baiko an-tany lavitra vao afaka hanao zavatra. Mila lalàna afaka manasoa vahoaka sy ny fiarahamonina misy antsika isika. Raha hiverenana, noho izany, ny adihevitra hoe fanjakàna tokana sa faritany mizaka tena sa inona no atao dia ny fanontaniana tokony hipetraka voalohany izany dia ny hoe inona amin’izany rehetra izany no azo hanaovana lalàna manasoa vahoaka, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Amperin'asa ny Delegasiona

Card image cap
07-août-2026

amin'ny ady amin'ny kolikoly

Card image cap
07-août-2026

Misokatra ny làlana ho an’i Madagasikara sy Afrika Atsimo

Card image cap
07-août-2026

Hojerena ny fomba hampandehanana azy

Card image cap
06-août-2026

Lafin-javatra iray heverina fa manahirana na

Card image cap