airtel

Actualités

19-juin-2026

Pr Jonah Ratsimbazafy

«Ireo milaza azy ho manam-pahaizana mihitsy

Sample post image

no tsy manao ezaka mianatra»

19-juin-2026

Ho an' ireo malagasy mipetraka aty Etazonia sy firenena hafa dia tena mbola rehareha izany hoe malagasy sy mbola mahay teny malagasy, hoy ny manam-pahaizana momba ny biby, Pr Jonah Ratsimbazafy. Eny fa na io lazaina fa mahantra io aza ny firenentsika, hoy izy. Maro amin’ireo malagasy lehilahy manambady vehivavy vazaha mipetraka any ivelany fantatro, tena mbola mampianatra ny zanany miteny tsy malagasy ka ny reniny amerikanina na alemanina, ohatra, dia miteny ny fiteniny amin’ny teny amerikanina na alemanina rehefa miresaka amin’ireo zanany fa ny rainy malagasy kosa miteny sy mampianatra ny zanany ny teny malagasy hatrany dia betsaka amin’ireo zaza metisy malagasy mahazo sy afaka miteny malagasy na tsy mbola tany Madagasikara aza ilay zaza. Tena mahafinaritra ny mahita ilay izy fa ny olona sasany mipetraka ao dia tena misimisy ihany ireo niala tao Madagasikara. 2 taona monja dia efa milaza fa sahirana sy tsy mahay teny gasy intsony. Toa fahamenarana ho azy ireny ilay miteny malagasy, tenin-drazany. Na samy malagasy aza izy mivady dia teny frantsay no hifampiresahany amin’ny zanany fa tsy teny malagasy. Ohatry ny hoe mahamenatra izany ilay miteny malagasy. Gaga ianao hoe fa maninona ireto malagasy sasany mipetraka ao Frantsa ireto no manao izany? Misy ve fankasitrahana manokana azon'izy ireo amin’ny tsy fitenenana na fahamenarana raha miteny malagasy. Ny tenin-dratsy anefa ohatry ny tadidy tsara foana. Mahagaga! Izay toetsaina mihevitra fa ambony noho ny hafa izay rehefa miteny frantsay dia tsapa amin’ireo malagasy sasany mipetraka any Frantsa ary na any Madagasikara aza izy dia mbola manana izay toetsaina izay. Jereo tsara fa ireo «influenceurs» malagasy sasany mipetraka ao Frantsa ireo no mahavita miteny hoe «tsy mahay ny Kolonely Michael Randrianirina! Na miteny frantsay aza izy sahirana…». Inona moa ny olona rehefa vitany ny mitantana ny firenena na tsy mahay ny tenin’ny mpanjanaka aza izy? Taiza ianao no nahita vietnamianina niteny tamin’ny filohany na mifanambany toy izany rehefa tsy miteny frantsay tsara ohatranareo sasany ao Lafrantsa sy eto Madagasikara ireo? Indraindray aho te hiteny hoe «Io teny frantsay io no mba hifikiran'olona sasany hanasongadinana tena dia izay.» Indraindray moa ny «membres de jury» na mpitsara sasany amin’ireny «thèse» na fanohanana voka-pikarohana ireny dia saika ny «faute de francais» na adisoana amin’ny teny frantsay no iompanan’ny fanamarihana ambarany fa tsy ny fototry ny asa fikarohana nataon’ilay mpianatra ary noho izany dia tsy omena «avec félicitations de jury» ilay mpianatra. Enjana isika nefa enjana amin’ny zavatra tsy tokony haha enjana toy ny resaka fampandrosoana, ohatra. Ireo milaza azy ho manam-pahaizana mihitsy no tsy manao ezaka mianatra. Soa fa tsy ny manampahaizana rehetra, hoy hatrany ny tenany!
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-juin-2026

Haverina ny lanjan’ny fampianarana teknika », hoy ny Minisitra Todisoa

Card image cap
19-juin-2026

lehibe ny tananan'i Talatamaty

Card image cap
19-juin-2026

nalentiny tao anaty rano ny zanany

Card image cap
18-juin-2026

manoloana ny raharaha Iran sy Etazonia

Card image cap
18-juin-2026

Lehilahy iray mpanao saribao naiditra am-ponja vonjimaika

Card image cap
18-juin-2026

mahazo 225 tapitrisa Ariary eo

Card image cap