airtel

Actualités

12-août-2026

PRRM Randrianirina Michael

tany Tchad

Sample post image

Tena handroso raha mifankatia sy

12-août-2026

mifamonjy ny samy Afrikanina »
Tontosa tao amin’ny Place de la Nation any N'Djamena ny matso lehibe nankalazana ny faha 66 taona nahazoan’i Tchad ny fahaleovantenany. Lanonana notronin’ny Filoha Tsadianina, Maréchal Mahamat Idriss Déby Itno, izay nanasa ireo filoham panjakana namany hanatrika izany. Anisan’ny nanome voninahitra ny hetsika ny Filoha Malagasy, Kolônely Randrianirina Michaël, izay nanatrika niaraka tamin’ireo filoha hafa avy amin’ny faritra. Naneho ny hery sy ny firaisankinan’ny firenena Afrikanina, ary nanamarika ny fankalazana ny daty manan tantara ny 11 Aogositra 1960, fotoana nahazoan’i Tchad ny fahaleovantenany taorian’ny fanjanahan tany frantsay. Araka ny tantara, isan’ireo firenena afrikanina nahazo ny fahaleovantenany tamin’ny taona 1960 i Tchad, taorian’ny fitsapankevi-bahoaka notarihin’i Général de Gaulle tamin’ny 1958. Tahaka an’i Madagasikara, dia samy zana tany frantsay ny roa tonta, samy nifidy ho Repoblika mahaleo tena tamin’ny 1958, ary samy nahazo fahaleovantenana tamin’ny 1960. Anisan'ny nandray anjara ihany koa moa ny Filoha Horta N’Tam avy any Guinée Bissau. Ny filoha telo lahy Mahamat Idriss Déby Itno, Horta N’Tam ary Randrianirina Michaël izay samy nisalotra fanamiana miaramila, naneho ny firaisan kinan’ny firenena afrikanina amin’ny fankalazana ny fahaleovantenan’i Tchad. Nanamafy indray ny fifandraisana ara diplomatika sy ny firaisankinan’ny firenena afrikanina, ary naneho ny fifampitokisana eo amin’i Tchad sy Madagasikara. « Misy ny fanamafisan’ny fifandraisan’ny samy Afrikanina. Raha mifankatia sy mifamonjy ny samy aty Afrika dia handroso isika, ary ny Filoha’i Tchad dia vonona hitsidika an’i Madagasikara ka aty no haamafisana ny fahafahana miara-miasa», hoy ny PRRM Kolonely Randrianiria Michael. Nisy moa nialohan'izao ny fihaonana tamin'ireo Diaspora izay voalaza fa saika voavalin’ny Filohan'ny Fanavaozana avokoa ireo olana sedrain’izy ireo tamin’ireo iraka nataony teo aloha, fa ho an’ny tao Tchad manokana dia nifantoka tamin’ny fanomezana sehatra ahafahan’ireo Malagasy any ivelany mizara ny traikefany ho an’ny tanora Malagasy ny votoatin’ny fangatahana. Teo ihany koa ny fangatahana hijerena manokana ireo Malagasy monina amin’ny faritr’i Afrika afovoany izay tsy misy masoivoho ka voatery any Ethiopie no mikarakara taratasy. Naneho ny faniriany hitondra ny anjara birikiny ho fampandrosoana an’i Madagasikara ihany koa ireto Malagasy miasa sy monina eto Tchad ireto, izay mieritreritra ny hampiasa vola ho fampiroboroboana ny toekarem-pirenena. Farany dia nasian’ireo teny ihany koa ny hijerena manokana ny fomba ahafahan’ny diaspora mandray anjara amin’ny fifidianana rehetra izay atao any Madagasikara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

20-août-2026

Taorian’ny tolona mamaivay

Card image cap
20-août-2026

Miverina miaina ny fitrandrahana Kraomita

Card image cap