airtel

Actualités

01-juil-2026

Raharaha GEM

sy ny Fanjakana

Sample post image

Tsy maintsy hiravona hoy ny PM,

01-juil-2026

tsy ny GEM ihany no tsy miankina hoy ny MJ

Manoloana ny fanapahan-kevitry ny Vondron’ny orinasa eto Madagasikara na ny GEM hampiato ny fifampidinihana eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny Fanjakana eo amin’ny filankevi-pitantan’ny CNaPS sy ny sehatra hafa noho ny raharaha CNaPS-SMGD izay misy olon’ny GEM voakasika, dia nilaza ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison omaly, fa tsy manome tsiny azy ny governemanta. Mifampiresaka aminy foana kosa ny Fanjakana satria mahalala fa ny sehatra tsy miankina no tena manodina ny toekarena. « Mino ny governemanta fa tsy maintsy hiravona io anefa satria ny Fanjakana tsy hiady amin’ny sehatra tsy miankina mandrakizay. Mpiara-miombon’antoka fa tsy mpifahavalo, ary ny ataon’ny Fanjakana aza dia fanamorana sy fanadiovana ny fandraharahana mba hiroboroboan’ny sehatra tsy miankina. », hoy ny Praiminisitra. Nanamarika kosa ny Minisitry ny Fitsarana Fanirisoa Ernaivo, fa misy olona ao anatin’ny GEM, ny mpandraharaha amin’ny sehatra tsy miankina dia tsy GEM ihany fa misy ao anatin’ny GEM. Mikasika ireo mpikambana tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny CNAPS mikasika ireo mpikamban’ny GEM, dia fanadihadiana no natao, ka amin’ny resaka ady amin’ny kolikoly dia matetika na miditra am-ponja, na hadihadiana ny fananana, na ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana. Nomarihin’io minisitra io fa tsy nisy famonjana, izay marika fa tsy misy sakana amin’ny fanohizany ny asany. Misy ny fanadihadiana mialohan’ny Fitsarana, izay tsy hijerena na GEM na sehatra tsy miankina na miankina, fa ho an’ny rehetra ambanin’ny lalàna. Eo anatrehan’ny hoe satria hanaovana fanadihadiana ka tsy handray anjara amin’ny sehatra fanapahan-kevitra iraisan’ny Fanjakana sy ny tsy miankina, dia notsipihin’io minisitra io fa tombondahiny homena azy ireo izany fa tsy sanatria afaka hampifilafila na hanao « chantage » any amin’ny Fitsarana. Nahitsy ny Minisitry ny Fitsarana fa anisan’ny tompon’andraikitra voalohany amin’ny afera CNaPS-SMGD ny olona izay nitsoaka izay ao anatin’ny GEM, ka sao misy ihany fitsabahana na tsindry amin’ny fitsarana mba tsy hohenjehina na dia nanao heloka aza. Na hoe misy namanay nanao heloka ka tsy handray anjara ao amin’ny filan-kevi-pitantanana. « Tsy ny GEM ihany no sehatra tsy miankina eto Madagasikara fa raha ohatra izy ka tsy vonona amin’ny fiarahana manapa-kevitra izay dia misy olona hafa vonona hanao izany ao anatin’ny sehatra tsy miankina, fa ny olona rehetra dia eo ambanin’ny lalàna », hoy ny Minisitry ny Fitsarana. Ny mahataraiky an’io dosie io raha ny fanamarihany dia misy olona anatin’ny GEM nitsoaka any ivelany, ka raha te hifanome tanana dia mampody an’ireny hanafaingana ny dosie. Notsipihiny fa mahaleo tena ny Fitsarana, ary miezaka mitazona ny asa sy fampandehanana ny asa amin’ireny orinasa manana raharaham-pitsarana ireny, ary mbola tsy misy ny hoe mihidy tanteraka ny orinasa, tsy manao sakana hiodinan’ny orinasa tsy miankina ny Fanjakana. Tsara ho fantatry ny SADC sy ny GEM, hoy ny Minisitry ny Fitsarana, fa ny olona izay mandika lalàna, na ahiahiana, na voarohirohy no atao fanadihadiana ara-pitsarana fa tsy resaka politika.
Toky R

 

Dans la même rubrique