airtel

Actualités

10-sept-2026

Raharaha kolikoly avo lenta

Nogiazan’ny Fanjakana

Sample post image

ny volan’ny orinasan-dRajoelina

10-sept-2026

Niteraka resabe tato anatin’ny andro vitsy ny raharaha fanidiana ny kaonty miisa 3 an’ny orinasan’ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina dia ny INJET. Ireo kaonty ireo izay voalaza fa nogiazana ny herinandro teo, ary rehefa nosokafana dia tsy nisy vola intsony tao anatiny. Nilatsaka kosa omaly ny vaovao ofisialin’ny Minisiteran’ny Fitsarana Malagasy nilaza, fa nisy didim-pitsarana navoakan’ny PAC (Pôle Anti-corruption) ny 19 aogositra 2026, ka nisy fepetra noraisina mikasika ny orinasa Injet, ary anisany ny fanagiazana kaonty. Ny sampan-draharaha misahana ny fangejana ireo fananana azo tamin’ny tsy ara-dalàna na ny ARAI no niditra an-tsehatra nanao ny fanagiazana amin’ny maha rafitra mahefa sy voafaritry ny lalàna azy. Nafindra amin’ny kaonty fitantanana an’ny Fanjakana (Compte de consignation) ireo vola izay tsy voafaritra mazava aloha ny totaliny. Nilaza noho izany ny Minisiteran’ny Fitsarana fa tsy marina ny filazana fa nanjavona ny volan’ny orinasa Injet, fa kosa nogiazana araka ny toromarika sy didy ara-pitsarana navoakan’ny PAC, izay notanterahan’ny ARAI amin’ny maha rafitra mahefa araka ny lalàna azy. Tafiditra amin’ny raharaha tsenambaro-panjakana mahasaringotra ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha Sahondrarimalala Marie Michelle ny orinasa Injet, izay an’ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina. Ny fanadihadiana navoakan’ny Minisiteran’ny Fitsarana ny 04 septambra teo namoaka, fa mampiahiahy ny orinasa Mada Equip izay nahazo ny tsenambaro-panjakana. Orinasa mitondra anarana hafa no misoratra eo amin’ilay adiresy ao anatin’ny faktiora, rehefa nojerena ilay adiresy eny Antsakaviro voalaza fa misy azy io. Rehefa nojerena ny adiresy voalaza fa misy ny « entrepôt » teny Ambatobe, dia an’ny orinasa Injet ilay hangar, fa misoratra amin’ny orinasa ID Participation SA, saingy hita ihany koa ny anaran’ny tompon’ny ID Participation SA, saingy tsy navoakan’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy nolazaina fa ankinina amin’ny fahefan’ny Fitsarana. Mifamatotra amin’ny Injet io orinasa io, raha raisina amin’ny fanadihadiana navoakan’ny Minisiteran’ny Fitsarana. Amin’ny anaran’i Andry Rajoelina na olona akaiky azy ? Tsy nifanarana tamin’ny raharaha dabililo, fa niitatra amin’ny olona sy fifandraisana manodidina ny raharaha hafa. Nambara fa mampiahiahy ireo orinasa, ary nivoaka fa miisa 9 ny tsenambaro-panjakana azon’ilay Mada Equip izay mitentina 85 197 855 027,60 teo anelanelan’ny 2019-2020 fotsiny tamin’ny minisitera maro no efa azon’ilay Mada Equip, toy ny 33 074 394 166,80Ar teo amin’ny MEN sy Minisiteran’ny fampianarana teknika tamin’ny resaka famatsiana kapa ho an’ny mpianatra, 30 905 ho an’ny famatsiana kitapo, 8 889 079 176 Ar tamin’ny famatsiana fitaovana samihafa, 4 817 466 426 tamin’ny famatsiana kahie, 2 086 560 000Ar teo anivon’ny Minisiteran’ny rano sy akoran’afo kits scolaires samihafa,… Hizotra amin’ny fanapahana toy ny natao amin’ny Vondrona Sodiat dia ny fametrahana administrateur judiciaire ny orinasan’i Andry Rajoelina ? Hijanona amin’ny Injet sa hisy hafa ? Misy fanahiana amin’ny famatsiam-bola fanakorontanana ? Mbola eto ny volan’i Andry Rajoelina sa efa nobatainy nanaraka azy any an-tsesintany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

10-sept-2026

Miahiahy sy miampanga olom-boafidy TGV ireo voakasika

Card image cap
10-sept-2026

tokony hahintsy ny fifidianana!»

Card image cap
10-sept-2026

Niseho tamin’ny alalan’ny « visioconférence »

Card image cap
10-sept-2026

Hovitaina mialohan'ny faran'ny taona

Card image cap
09-sept-2026

rano fisotro madio tsy tapaka ny fanjakana

Card image cap
09-sept-2026

andrasana anio tohiny…

Card image cap