airtel

Actualités

15-sept-2026

Raharaha

« Les Résidences

Sample post image

d’Ampasikely” ao Nosy Be

15-sept-2026

Natsikafon’ny lasibatra ireo heveriny fa afera maizina…

Teratany vahiny iray antsoina hoe Gilles DAHERON manambady sy manan-janaka Malagasy antsoina no lasibatra amin’ny raharaha ara-tany ao Ampasikely Dzamandzar Nosy Be. Nanomboka tamin’ny 2004 i Gilles Daheron no nangataka fampanofana tany maharitra na « bail emphytéotique » amin’ny tany Ampasikely. Nahazo alalana hanorina izy tamin’ny 2008, ka nanangana bungalows 6, trano fisakafoanana, dobo filomanosana, ary fiarovana amin’ny morontsiraka, fanajariana ara-pizahantany samihafa,... Nahazo ireo fankatoavana samihafa : fanorenana, fanokafana, fahazoan-dalana hanangana toeram-pandraisam-bahiny avy amin’ny antanan-tohatra niaraka tamin’ny fankatoavan’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany ny taona 2007-2009, izay teo am-piandrasana ny fahazoana ny « bail emphytéotiques». Noho ny tsy fahasalamany izay nilana fandidiana ny fony tany ivelany in-telo nisesy tao La Réunion sy tany Frantsa anefa, nifampiraharaha tamin’ny teratany vahiny namany amin’ny fampiasana ny toerana ny tenany. Mba hanatsarana ny fitantanana, nanangana ny société “Les Résidences d’Ampasikely” I DAHERON, izay nanome ny fitantanana ara-barotra amin’ny mpivady Lagrue, ary taty aoriana amin’ny mpivady Motard. Na izany aza, tsy nisy famindrana tamin’ny fomba ara-dalàna ny fananana satria ny fifanarahana dia « bail commercial » na raharaha ara-barotra fotsiny, fa tsy « transfert de propriété » na famindrana fananana izany hoe tsy resaka tany sy fotodrafitrasa, raha ny nambaran’ny mpisolovava Maître Vitta Ruffin. Natsikafon’i Gilles DAHERON tamin’ny alalan’io mpisolovava io ny hoe : « nisy fahadisoana sy fiangaran’ny fitantanana ny lafin-tany, ka nanome tombony tsy ara-dalàna ny mpivady Motard tamin’ny 2022, na dia efa nisy antontan-taratasy manamarina ny zon’i Daheron aza ». Tamin’ny 2016, nisy fitanana an-tsoratra na « procès-verbal » ofisialy nanamarina fa vita sy nampiasaina ara-dalàna ireo fotodrafitrasa ary amin’ny anaran’i Gilles Daeron, saingy nisy tahaka an’io nivadika tamin’ireo mpivady Motard ny 2022. Voadingana ny fangatahan’i Daheron izay efa tamin’ny 2004 izay nanangana fotodrafitrasa sy nanao fampiasma-bola, nitsimbadika amin’ny Motard tamin’ny 2022, tao anatin’ny 8 volana dia nivoaka ny taratasy, raha ny fanavazan’ny mpisolovava. Tsy nisy fampahafantarana ara-dalàna na fanasana hiaro tena natao tamin’i Daheron, raha ny fanamafisan’i Maître Vitta Ruffin, ary ity farany indray no voaheloka ho nanao fisolokiana, resy tamin’ireo ambaratongam-pitsarana rehetra, mpitsara tsy nanatrika ny fihainoana ny andaniny sy ny ankilany no mamoaka didy,…
FATIANTOKA GOAVANA, MANAITRA NY FANJAKANA
Tombanana ho 320 000 € ny fatiantoka ara-barotra sy ara-pampiasam-bola, anisan’izany ny tsy fahazoana vola amin’ny fampiasana ny fotodrafitrasa. Fatiantoka ara-moraly mitentina 50 000 € no tombanana ho fahavoazana ara-tsaina sy ara-laza noho ny fanilikilihana sy ny tsy rariny. 750 000 € ny tombanana amin’ny fanorenana very tanteraka (bungalows, trano fisakafoanana, dobo, sns). Nanizingizina i Maître Vitta Ruffin, fa tena nisy kolikoly ara-tany sy ara-panjakana goavana. Miantso ny ambaratongam-panjakana isan’ambaratongany na ny eo amin’ny lafiny fananan-tany na ny fitsarana io mpisolovava io izay nanizingizina fa betsaka ny zavatra tsy rariny sy tsy ara-dalàna, ka anisany notsipihiny ny hoe : mpitsara tsy nihaino ny fakana am-bavany. Nanao antso amin’ny Minisitry ny Fitsarana, ary mangataka am-panajana ihany koa ny hijeren’ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany izay sarotiny amin’ny resaka fahazoana tany tsy ara-dalàna hijery ity dosie ity izy ireo satria mety tsy mipaka any aminy ny tena marina, hoy ny mpisolovava Vitta Ruffin, izay naneho fa tena mahamenatra, mampihemotra ireo mpandraharaha te hampiasa vola,...
Toky R


 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

karaman’ireo depiote hamahana delestazy ! »

Card image cap
16-sept-2026

Mbola tsy mivaha tanteraka ireo

Card image cap
16-sept-2026

124 miliara dolara ho an’i Afrika, zara raha 406 tapitrisa dolara ny antsika

Card image cap
16-sept-2026

Niverina ofisialy omaly 15 septambra 2026

Card image cap