airtel

Actualités

22-avril-2024

Raharaha Romy Voos

Amin’ny 10 mey mifankahita!

Sample post image

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

22-avril-2024

talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny repoblika malagasy teo aloha, sy ilay teratany frantsay, Philippe Tabuteau, noho ny resaka fikasana hanao kolikoly tamin’ny orinasam-pitrandrahana anglisy, Gemfield, raha tsiahivina. Ny volana aogositra 2023 moa izy ireo no voasambotra tao Londre, Angletera, rehefa tratry ny vela-pandriky ny mpitandro filaminana tao an-toerana. Efa samy niaiky ny helony izy ireo ka dia andrasana amin’io 10 may 2024 io, araka izany, ny sazy ho ampiharin’ny fanjakana britanika amin’izy ireo. Lelavola mitentina 261.000 Euros, izany hoe, manodidina ny 1.305.000.000 Ariary na 6.525.000.000 Iraimbilanja no voalaza fa nokasain’izy ireo ho alaina tamin’ity orinasa vahiny ity mba ho 5% fandraisana amin’ny fanomezana alalana ity orinasa ity hitrandraka eto Madagasikara. Tombanana ho famonjana 10 taona any ho any moa izay sazin’izy ireo izay ka dia andrasana, araka izany, ny didim-pitsarana mikasika ity raharaha ity. Andrasana ihany koa anefa etsy ankilan’izay ny mety ho fivoaran’ny toe-draharaha mandra-pahatongan’io daty io. Mety mbola hisy anaran’olon-kafa ho voatonona ho niray tsikombakomba hafa tamin’ireto olon’ny fitondrana malagasy ankehitriny voatazona any an-toerana any ireto ve? Miandry ny tohiny!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Feno 7 taona katroka omaly 02 mey 2024 ny onjam-peo Top Radio 102.8 FM amin’ny endriny ankehitriny

Card image cap
03-mai-2024

Tsy afa-misaraka amin’ny hery politika na «régime politique»

Card image cap
03-mai-2024

Mampita vaovao marina sy manabe ny fiarahamonina no isan’ny andraikitry ny mpanao gazety

Card image cap
03-mai-2024

voahosotry ny big win philantrophy ho tompondakan’ny fanjarian-tsakafo ingahy Filoham-pirenena Malagasy.

Card image cap
03-mai-2024

Notokanana omaly 02 mey 2024 ny tobim-pamokarana avy amin’ny rano ao Behenjy, distrikan’Ambatolampy,

Card image cap
03-mai-2024

Lehilahy Malagasy efa manodidina ny 40 taona i Jean Mickael Rakotoniaina.

Card image cap