airtel

Actualités

15-avril-2024

Raharaha tany 26ha sy 13ha eny Ampitatafika

Aleo mipetraka fa olon-kendry, hoy ny ben’ny tanàna

Sample post image

Nanontany ahy ny fiadidiana ny fananan-tany na «domaine» hoe ahoana ny mahakasika ilay

15-avril-2024

tany mirefy 26ha sy 13ha voalaza fa amidy ao Ampitatafika, hoy ny ben’ny tanàna ao Ampitatafika, Rado Ramparaoelina? Namaly aho, hoy izy, hoe tsy misy tany ngezabe amidy izany intsony ao Ampitatafika. Gaga be aho nampisehoana ilay taratasin-tany na «situation juridique» an’ilay tany. Izaho no nampivory ireo tantsaha ireo ary tsy nangataka andro hilaza io vaovao io. Rehefa tena jerena ny fototr’ilay izy dia nisy nivarotra tao amin’ilay fikambanana Vovonana. Ny tenako indray no lasa saro-piaro. Amin’ny maha ben’ny tanàna ahy, tsy manana aho na iray dia amin’io tany io aza. Ny nahagaga ahy dia hoe maninona no tsy mba nandalo fampahafantarana na «affichage» tao amin’ny kaominina ny fahazoana io tany io? Avy eo moa aleo mipetraka fa olon-kendry satria rehefa jerena tamin’izany andro izany dia misy anaran’ilay mpikambana anaty vovonana maromaro no mivarotra ny anjarany. Tsy noterena, tsy novozonana fa noho ny fahasahiranana dia nivarotra izy. Hoy aho hoe raha izay foana no atao fitenenana hoe ny kaominina no mibahana dia fanarian-dia fotsiny izany amiko. Nampivory ny ben’ny tanàna ary ny kaominina no nidina teny Malaza fa tsy ny vahoakan’i Malaza no nasaiko niakatra teny amin’ny kaominina. Ny dikan’izay dia manasa tanana aho fa efa nanao izay tokony ataoko. Tany tan-dalàna isika. Tsy sehatry ny kaominina intsony angamba no tokony hitondrana io raharaha io. Nitsikera izahay tamin’izany hoe ahoana itony tanim-panjakana tsy mandalo kaominina itony? Nolazaina fa efa miova ny dingana na «procédure». Niova haingana be izany ilay izy. Tsy fantatra ny fahamarinany sy fahadisoany dia tsy arako. Ny ampahany maro amin’ilay tantsaha nivarotra. Ampahany vitsy sisa tsy nivarotra. Ny 2/3-n’ireo tantsaha ireo tapitra nivarotra ary nandray vola. Raha ny fahalalako azy amin’izao fotoana izao dia efa niova tompo in-4 amina tany misy titra sy baorina io tany io. Ireo tsy nivarotra ohatran’ny nakisak’ilay olona tao anatin’ilay fividianana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

29-avril-2024

Tanjona ny ialan’ny malagasy amin’izao toe-draharaha izao»

Card image cap
29-avril-2024

Mbola mafy ny asa atao, ny zava-miandry, hoy ny kandida ho depiote ao amin'ny boriboritany faha 4,

Card image cap
29-avril-2024

Niverimberina tato ho ato ny fifanolanan’ireo mpivarotra eto Antananarivo sy ny fiadidiana ny kaominina Antananarivo

Card image cap
29-avril-2024

Misy namana mpiara-miasa tamiko, lehibeko, hoy ny mpanolontsain’ny SMARM na Sendikan’ny mpiasan’ny angovo

Card image cap
29-avril-2024

Tombanana ho betsaka ny ranon’orana eto amintsika manomboka rahampitso Talata raha araka ny fanazavan’ny

Card image cap
29-avril-2024

Ny alarobia 24 aprily atoandro teo dia lasa nandeha nanao fanatanjahan-tena ny «manam-pahefana»

Card image cap