Raha tsiahivina kely ny tantara dia voatondro ho mpanao vola sandoka ity Raim-pianakaviana ity. Raha araka ny fanazavan’ireo vady aman-janany nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly anefa dia tsy mpanao vola sandoka izany Rakotomalala Marcel. Manana milina off 7 izay fanaovana gazety izahay hoy izy ireo saingy loko tokana ihany no havoakany. Mampiasa io milina io izahay hoy izy ireo amin’ny fampandehanana ny orinasanay izay hanananay NIF sy Statistika ara-dalàna. Miantso ny mpitsara mba hitsara araka ny tokony ho izy ny PV nosoniavin-dRakotomalala Marcel araka izany ireo vady aman-janany ka tsy hihaino ireo karazana honohono mandeha fotsiny. Efa vita moa ny fanadihadiana ifotony momba ity Raim-pianakaviana ity ary efa eo am-piandrasana ny fitsarana azy ireo vady aman-janany ankehitriny. Tsiahivina fa tamin’ny datin’ny 23 Aprily ity Raim-pianakaviana ity no nalain’ny zandary tao an-tokantranony. 48 ora taorian’izany no notazonina, raharaha nitohy teny amin’ny fampanoavana avy hatrany ary tsy nijanona raha tsy teny amin’ny fonjaben’Antanimora.
Tsara ho marihina fa asa an-terivozona mandra-pahafaty no miandry ireo mpanao vola sandoka raha voaporofo fa tena nanao tokoa.
Pati
Legende : Ireo vady aman-janak’i Rakotomalala Marcel, nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly
Misy toe-javatra mampiahiahy ao anatin’ny Fanjakana, indrindra fa eo amin’ny lafiny fikirakirana sy fanamarinam-bola ?
Ireo fikambanana, ONG ary mpiara-miombon'antoka rehetra nisitraka famatsiam-bola
Mahatratra 60 isa isan’andro eo ho eo ny fangatahana fisaraham-panambadiana tonga
Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra no tsy mahalala ny asan’ny mpamonjy voina sy ny tena
Nihatra nanomboka ny alin’ny 04 febroary 2025 ny fanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara izay lazaina fa
Tsy rariny raha olona milaza ny mba maharary azy no ampidirina am-ponja,