airtel

Actualités

20-août-2026

Randrana sendikaly

«Saro-piaro amin’ny fanavaozana izahay!»

Sample post image

Taorian’ny tolona mamaivay

20-août-2026

nataon’ny Randrana sendikaly dia nisy ihany koa ny fidinana ifotony nataony hatrany amin’ny faritra avaratra, Ambanja, Mandritsara, Befandriana avaratra, Mampikony, Port Bergé, Antsohihy, nitohy taty amin’ny faritra Atsinanana ijerena tsara ny tontolon’ny asa ankehitriny satria fanavaozana izao, hoy ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly, Barson Rakotomanga. Saro-piaro amin’ny fanavaozana izahay, hoy ny Randrana sendikaly! Mbola betsaka ny orinasa tsy mbola mampihatra ny fampiakaran-karama nifanarahana tamin’ny mpampiasa. Mitaraina ny mpiasa satria mitady fialàna amin’ny fampiakarana izany ireo mpampiasa. Misy mampiakatra indray saingy tsy manefa ilay ambony ampanga na «rappel» nefa izany dia nodradradraina ary ny mpiasa aza efa nanantena hoe manana azy io ny mpampiasa matoa mampanantena. Ny any amin’ny faritra izay fa etsy Tanjombato koa, kilaometatra vitsy miala ny minisiteran’ny asa, dia misy orinasa mandà an-kitsirano ny fanefàna izany. Gaga ny Randrana ankehitriny mandray mailaka avy amin’ny minisitera izay miantso fiaraha-midinika ny momba ny fanefàna ny «rappel». Nohenjehina tahakan’ny inona ny Randrana sendikaly tamin’ireny fotoana ireny nitaky ny hampiharana ilay 300.000 Ariary nefa. Nolazaina fa efa nipetrapetraka ny fanefàna izany. Izao ny minisiteran’ny asa vao mampiantso indray hoe handinika ny fomba fandoavana ilay «rappel». Efa mampiady ny mpiasa ny didim-panjakàna milaza ny mikasika ny SME na «Salaire minimum d’embauche». Karama farany ambany eo am-pidirana miasa no dikan’izany nefa tsy izay no hampiharan’ny mpampiasa azy. Ny nandray karama ambanin’ny 300.000 Ariary fotsiny no mody fenoiny 300.000 Ariary ny karamany. Izany angaha ilay izy? Tokony 303.500 Ariary no anjaran’izay vao niditra, raha ny tovana amin’ilay didim-panjakàna no jerena. Nalaina tahaka ny fampiakarana 14% nomena ny fanjakàna. Rehefa raikitra nefa dia nofitahana tanatina kilalaon-teny indray ny mpiasa tsy miankina. Ny an’ny mpiasam-panjakàna miakatra 14% daholo na mpiasa ambany na ambony. Tsy nasian’ny mpampiasa resaka mihitsy nefa izany aty amin’ny sehatra tsy miankina. Mampiady ny mpiasa izany. Ianteheran’ny fampandrosoana nefa ny mpiasa. Iza no sahy hiteny ny isan-jato niakatra tamin’ny karama aty amin’ny sehatra tsy miankina? Tsy tokony handaniana andro ho dinihina intsony izany fomba fanefàna «rappel» fa tokony efa hananan’ny fanjakàna paikady mazava. Miarahaba ny tale jeneralin’ny CNaPs vaovao na izany aza, etsy ankilany, ary manantena fanovàna ho entiny, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

20-août-2026

Miverina miaina ny fitrandrahana Kraomita

Card image cap
18-août-2026

mamokatra 16MW ao amin’ny QMM

Card image cap