Rehefa misy ny fiaraha-miasa ankitsi-po eo amin’ny depiote sy ny Ben'ny tanàna dia mahazo vokatra tsara ary ny vahoaka no misitraka izany voalohany". Nivoitra io nandritra fihaonan'ny depiote Randriatahinamalala Livasoa voafidy tao Betafo - Faritra Vakinankaratra tamin'ny Vahoakan' Antohobe ny alahadin'ny Pentekosta teo sady nanome voninahitra ny ezaka ho an'ny EKAR Ambohimirary. Fiaraha-miasa teo amin’ny depiote sy ny Ben'ny tanàna Antohobe moa no nahatontosana ity lanonana ity. "Ianareo vahoaka no lehibeko ary mpindrana fahefana avy aminareo aho koa tonga foana aho rehefa ianareo vahoaka no miantso", hoy ny Depiote Livasoa. "Tsy natao hifaninana ny olomboafidy fa voaantso hiara-hiasa ary vokatry ny fiaraha-miasa dia ny vahoaka no misitraka izany", hoy ity farany nanohy ny lahateniny. Marihina fa iray amin'ireo Kaominina miisa 18 mandrafitra ny Distrikan'i Betafo ny Kaominina Antohobe.
Jean D.
Depiote Randriatahinamalala Livasoa sy Andrianainatsimarofy Joseph Antoine, Ben'ny tanàna Antohobe nandritra ny seho ho fanohanana ny EKAR Ambohimirary