airtel

Actualités

17-août-2026

RANGAHY LEHIBE MPANOLANA

TAO TSIROANOMANDIDY Zazavavy kely mihoatra

Sample post image

ny 4 no efa noviravirainy ?

17-août-2026

Nampidirina am-ponja vonjimaika ny faran'ny herinandro teo ilay Rangahy lehibe 73 taona mpanolana zazavavy kely any amin'ny distrikan'i Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava. Loharanom-baovao azo no nahafantatra fa zazavavy kely mihoatra ny 4 no efa noviravirainy ka anisan'izany ilay farany teo. Mangataka ny hanasaziana mafy io Rangahy lehibe io araka izany ny mponin'i Tsiroanomandidy. Hotanterahina ny 30 Aogositra ho avy izao mantsy ny fitsarana azy io. Raha tsiahivina kely ny tantara dia tao Mangarivotra Tsiroanomandidy no nisian'ilay fanolanana farany teo. Zazavavy vao 12 taona monja no lasibatra. Tany anatin'ny sahany no nanararaotany io zazavavy kely nandritra ny fotoana nanirahana ity farany naka kitay. Ny 07 Aogositra lasa teo no nanomboka narary ilay zaza saingy tsy sahy nitaraina tamin-dRay aman-dReniny. Nihombo anefa ny aretiny ka tsy maintsy nentina namonjy hopitaly tany amin' ny CHRR ilay zaza. Tany no nahafantarana fa potika tanteraka ny fivaviany. Tsy sahy nametraka fitoriana moa ny Ray aman-dRenin'ilay zaza noho ny tahotra valifaty. Mañana olana amin'ny resaka fivelomana koa izy ireo, antony nanohizan'ny mpitandro ny filaminana ny fanadihadiana.
Nangonin'i Pati


Légende : Ity ilay tsy mataho-tody mpamotika ny ho avin'ny taranaka !
 

Dans la même rubrique

21-oct-2026

Natsikafon’ny PRRM fa

Card image cap
21-oct-2026

Mankaleo ilay kolikoly ! Soloy sy fongory izay tsy manjary !»

Card image cap
21-oct-2026

Mety hiteraka fahafatesana tampoka fa mba hamarino ! »

Card image cap
21-oct-2026

toavintsika ny fanajariana sy fananantany

Card image cap
21-oct-2026

olona hiara-kiasa aminy ny

Card image cap
21-oct-2026

Mbola lehibe ny fanamby hampisitraka

Card image cap