airtel

Actualités

14-mars-2024

Ray aman-dRenin’i Andry Andriatongarivo

Nampanantsoin’ny Sampam-pikarohana heloka bevava

Sample post image

Nahazo taratasy fampiantsoana avy eny amin’ny Sampana fikarohana heloka bevava

14-mars-2024

tetsy Fiadanana Atoa Andriatongarivo Doudou sy Rasoavololona Marie Claire Ray aman-drenin i Andry Andriatongarivo ny andron’ny omaly maraina. Hatao famotorana amin’ny raharaha izay mahakasika azy izy ireo no voalaza tao anatin’ny fiantsoana, ary ahiahiana no sokajy nisy azy ireo. Tsy fantatra mazava ny antsipirihany, ary tsy tena nisy nipika ny akon’io fampiantsoana io. Heverina kosa, fa mifandraika amin’ny raharaha Andry Andriatongarivo izay migadra eny Imeritsiatosika. Ny volana novambra 2023, taorian’ny fivoahan'ny didim-pitsarana momba ny fisarahany am-panambadian’izy sy Lalatiana Rakotondrazafy ary nanaovany “vidéo”‚ horonan-tsary miendrika ampamoaka tamin'ny facebook no nisamborana azy‚ nambaran'ny mpitandro filaminana tamin'izany fa nahitana karazana basy, bala sy zava-mahadomelina mahery vaika tao an-tranony‚ izay niafara tamin’ny fampidirana azy ao amin’ny fonja manara-penitra. Taty aoriana, niparitaka ny kazarana horonam-peo hafahafa, nisy ihany koa ny raharaham-pitoriana nataon’i Andry Andriatongarivo izay nilaza ny vadiny teo aloha ho mitarika tambajotrana olon-dratsy, saingy nisy ny fampitsaharana izany ho tsy misy tohiny na « classé sans suite » navoakan’ny tonia mpampanoa lalàna. Raha ny fanazavana ankampoben’ny mpahay lalàna moa, dia « acte administratif » ny « classement sans suite », fa tsy didy, ka mety ho azo sokafana ny raharaha raha misy tranga vaovao na « faits nouveaux » mifandraika aminy. Vao tsy ela, nanao karazana antso mba hamotsorana ny zanany ireto Ray aman-dRenin’i Andry Andriatongarivo ireto noho io zanany io voalaza fa narary mafy, ary nisy ihany koa ny karazana fanairana sy antso nataon’ny mpisolovava hanatsaharana ny mety ho endrika tsindry sy fampijaliana. Fanadihadiana aloha izany ny setriny ka asa izay ho tohiny ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap