isan'andro hividianana sakafo
Betsaka ireo Renim-pianakaviana miady amin'ny fiainana eny anivon'ny fiaraha-monina eny. Ankoatra ireo mananontena dia tsy vitsy ireo manam-bady tsy an'asa hany ka tsy maintsy misolo vaika miahy mivantana ny ankohonany. Ho an'i Holy, Renim-pianakaviana niteraka 3 dia tsy maintsy mahita 3.000 Ar isan'andro izy hividianana sakafo ho an'ny ankohonany. Marary eo am-pandriana tsy afaka miasa ny vadiny. Asa fivarotana hani-masaka toy ny kompoze sy lasopy no hataony. Niainga tamin'ny 10.000 Ar ny vola nampiasainy raha araka ny fanazavany, traikefa nalainy tamin'ny namany akaiky. Tafiditra tao anatin'io vola hampiasainy io avokoa ny saran-dalana hakana entana eny Anosibe, ny kafekely maraina,...Eny mantsy mba mora ny entana hoy izy. 500 Ar no hamarotany ny kompoze iray lovia. 600 Ar kosa ny lasopy. Rehefa misy tsy lany ireo dia ireo ihany no hatao laoka amin'ny hariva miampy vary 1 kapoaka sy tapany hatao sosoa. Mahazo tombony 3000 ka hatramin'ny 5000 Ar isan'andro izy miankina amin'ny fandehanan'ny tsena. Na izany aza amin'ny hariva ihany no tena misakafo. Io lasopy sy kompoze hamidiny io ihany mantsy no hanomezany hohanin'ireo zanany kely amin'ny atoandro. Ilay tombony azony indray no hividianany saribao, menakakely, vary, labozia, apetraka hatao sakafo marainan'ny ankizy...Manangona mafy kosa vao mba mahita henakely ao anatin'ny iray volana. Nomarihiny moa fa tsy misy asa ratsy izany rehefa tiana sy hajaina. Ny mamoy fo sy miraviravy tanana no tsy mety hoy izy indrindra fa ny mivarotra fanahy sy manao ariary zato am-pandriana.
Pati
Légende : I Holy Renim-pianakaviana mamelon-janaka 3!