airtel

Actualités

19-juin-2026

RENY NAHAVANON-DOZA

Notsindroniny hazo,

Sample post image

nalentiny tao anaty rano ny zanany

19-juin-2026

Tovovavy kely iray vao 17 taona monja no fantatra fa voarohirohy ho namono nahafaty ny zanany naterany vao roa volana monja. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nahazo antso ny kaomandin'ny Borigady ao Ambatomirahavavy, fa misy zazakely maty nisy namono tao Atamboho Fokontany Imeritsiafindra, Kaominina amba'ivohitr'Ambatomirahavavy Distrikan' Arivonimamo.Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary. Tsy teo an-toerana intsony Ilay zaza namoy ny ainy fa nentin'ny fianakaviany sy ny fokonolona namonjy ny CSBII. Ilay reniny kosa dia efa voasambotry ny kartie mobila sy ny fokonolona. Ny Reniben'io zaza maty io no nahita azy voalohany nitsitra ary efa tsy nisy aina intsony teo ambony fandriana. Tsy hita izay nalehan'ilay reniny ary tsy nisy olona na dia iray aza tao an-trano. Nampandre ny fokonolona avy hatrany ity farany ka natao ny fikarohana ilay reniny. Nolazain-dRazazavavy tamin'ireo olona nisambotra azy fa notsindroniny tamin'ny hazo io zanany io ny Alarobia 17 Jona tamin'ny 02 ora atoandro. Raha mbola tsy maty dia nalentiny sy nokendainy tao anaty rano. Nofitahina sy naolan'ny rain-janany izy no nahazahoany ilay zaza kanefa izy mbola te hanohy fianarana, ary ilay rain-janany sady tsy hita no tsy nanampy azy. Nofaranany tamin'ny fomba feno habibiana ny tantaran'ilay menaky ny ainy vokatr'izany. Taorian'ny fizahana nataon'ny mpitsabo dia naverina tamin'ny fianakaviany ny razana.Omaly moa no tokony niakatra fitsarana ny raharaba. Tsiahivina fa ankoatra ny fahantrana sy tsy fahampian'ny fanabeazana dia antony iray manosika ny Reny hamono hahafaty ny zanany tahaka izao ny olana ara-pitiavana sy ny tahotra hiatrika fiainana hoy ny psikology iray.
Pati
Légende : Ilay Renim-pianakaviana nahavanon-doza !
 

Dans la même rubrique

19-juin-2026

no tsy manao ezaka mianatra»

Card image cap
19-juin-2026

Haverina ny lanjan’ny fampianarana teknika », hoy ny Minisitra Todisoa

Card image cap
19-juin-2026

lehibe ny tananan'i Talatamaty

Card image cap
18-juin-2026

manoloana ny raharaha Iran sy Etazonia

Card image cap
18-juin-2026

Lehilahy iray mpanao saribao naiditra am-ponja vonjimaika

Card image cap
18-juin-2026

mahazo 225 tapitrisa Ariary eo

Card image cap