airtel

Actualités

28-mars-2024

RIVODOZA GAMANE

Tafakatra 6 no maty, 3543 traboina

Sample post image

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

28-mars-2024

sahady hatramin’ny omaly Alarobia 27 Martsa ilay rivo-doza Gamane raha miisa 3545 ireo traboina any amin’ny Faritra avaratra, raha iray hafa tsy hita popoka. Ho an’ny kaominina ambanivohitra Ambodimanga distrikan'i Maroantsetra, Faritra Analanjirofo manokana dia lehilahy iray sy zaza iray no namoy ny ainy tototry ny tany vokatry ny ora-nikija nentin’ity rivo-doza ity. Jarinot no anaran’ilay lehilahy ary monina ao Sahafaosa Fokontany Ambodimanga izy raha araka ny fanazavan-dRatombondrainy Ramialison Ben’ny tanana any an-toerana. Mpanarato iray niala avy tany Foulpointe avy any amin’ny kaominina ambanivohitra Ampasimbe Onibe ihany koa ny Sabotsy teo no fefiky ny rano tao Soanierana Ivongo tao Rantabe. Roalahy izy ireo no niaraka saingy mbola tsy iray hatramin’ny omaly. Latsaka tany anaty rano ity farany hoy ny fitantaran’ilay velona. Nahitana olona namoy ny ainy ihany koa tany Toamasina, Mananara Avaratra ary Vavantenina. Mikasika ireo olona mitondra takaitra moa dia anisan’ny tena mampalahelo ny ao Antsirabe-Nord sy Ampanefena samy ao anatin’ny Distrikan’i Vohemar . Olona an-jatony no traboina. Trano marobe no dibo-drano hoy ny vaovao ary efa hatreny an-tendakely ny rano, mamono ny ankizy. Tapaka tanteraka ihany koa ny lalam-pirenena fahadimy. Tsiahivina moa fa ao amin’ny kaominina Ampisikinana, distrikan’i Vohemar no nisy ilay rivo-doza Gamane omaly tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Tao Ambilobe kosa no nisy ny foibeny omaly alina tokony tamin’ny 07 ora hariva. 130 Km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra mahatratra 180 Km isan’ora. Nianatsimo tsikelikely ny fizotrany omaly tontolo andro izay fantatra fa hitohy hatramin’ny anio Alakamisy maraina. Tombanana hivoaka an-dranomasina any Analanjirofo izy rahampitso Zoma. Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ireo olona namoy ny ainy sy ireo traboina tototry ny rano !
 

Dans la même rubrique

HCJ
17-janv-2025

Tontosa omaly alakamisy 16 janoary 2025 teny amin’ny Fitsarana tampony Anosy ny fametrahana sy fianianana

Card image cap
17-janv-2025

Mihamahazo vahana hatrany ny tsy fisian-drano eto amintsika. Antony hitadiavan’ireo mpanao

Card image cap
17-janv-2025

Hisy fivarotana amin'ny alalan'ny lavanty kojakoja elektrika avy amin'ny Jirama,

Card image cap
17-janv-2025

Efa lasa manalavitra ny morontsirak’i Madagasikara hatrany hatramin’ny omaly hariva fotoana

Card image cap
17-janv-2025

Fahotana faratampony amin’Andriamanitra no sady miteraka ozona mahatsiravina ny Ray manam-bady ny zanany

Card image cap
17-janv-2025

Tovolahy iray manodidina ny 35 taona eo ho eo no fantatra fa hita faty tao anaty tano tao Ampitarihana,

Card image cap