airtel

Actualités

15-déc-2025

Rolly Mercia

Niaro an’i Koufali Daya, nandetika an-dRavatomanga

Sample post image

Nanao ampamoaka sy nanazava ny

15-déc-2025

mahakasika ilay mpandraharaha Koufali Daya ny Minisitra teo aloha Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia tao anatin’ny fandaharana manokana tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray ny faran’ny herinandro teo. Misy anarana toy ny karana, fa Malagasy teraka tany Androy, raha ny filazany. Raharaha nahatafiditra an’io mpandraharaha io ny fisiana resaka fiara tsy mataho-dàlana ho an’ny depiote, izay tsy nety nandoa ny Fanjakana dia hoe andao ary hitady fiara dia alohan’ny depiote tsikelikely. Nahakasika sy nanohintohina ny tombotsoan’i Mamy Ravatomanga, izay matretre tao anatin’ny Fitondrana Rajoelina, ka nandeha ny tsindry. « I Mamy Ravatomanga nanenjana fa tsy maintsy any aminy no mividy, i Siteny Randrianasoloniaiko nahita hoe ireto misy olona mivarotra fiara, tsy an-dRavatomanga, sady mora no nanaiky naloa tsikelikely kanefa tsara ny kalitao. Depiote 40 hatramin’ny 50 taona no efa nanao fifanarahana, kinanjo nipoitra i Mamy Ravatomanga nitsivalana fa tsy maintsy any aminy no mividy, tsy manaiky aloha tsikelikely fa ny Fanjakana no mandoa azy dia ny depiote no mandoa tsikelikely. Raha tokony ho 4Ar dia ny azy nataony 40 Ar, araka ny baiko », hoy i Rolly Mercia. Nambarany fa nisy nandà hoe izahay ve tsy mba handraharaha mihitsy, ka mora no niteny fa manao volamena ianareo ka andao halefa any Tsiafahy satria azy daholo ny fibaikoana na ny Fitsarana, ka ny mpitsara aza fa tsy afa-nanoatra. Rehefa tsy nisy porofo dia navoaka ihany noho ny farany, ankoatra ny volabe notakiana, nisy ny tsy notsaraina akory, tsy nitsoaka fa fivoahana ara-dalàna, raha ny fanazavany hatrany. « Mora amin’izay aty aoriana ny miteny hoe manao volamena dia petahana, atao ny fomba handemena ny Fitondrana, manampy io fitondrana io dia lotoina fotsiny ilay olona. Ity farany no nitory voalohany tany Maurice nahafahana nisambotra an’i Mamy Ravatomanga, fa hatramin’izay teto tsy nisy nahasahy nanao an’izany, izaho no nanao dia ireny nogadraina ireny », hoy hatrany i Rolly Mercia. Adin'ny samy henjana sy ny matretre ary misy resaka fifanolanana ara-ombotsoa izany izy ity, fa izay aloha ny fijerin'i Rolly Mercia, tsapa ho mitodika aty amin'i Kouffali Daya eo anatrehan'ny fanenjehana sy fanaratsiana ary fiampangana samihafa an'ity farany. Ity Minisitra teo aloha ity izay tsiahivina fa isan'ireo lasibatr'i Mamy Ravatomanga, rehefa nijoro vavolombelona tamin’ireo afera nahasaringotra an’i Mamy Ravatomanga izay nanenjehan’ny tribonaly ara-toekerana na ny PNF tany Frantsa an’io mpandraharaha io, nanao ampamoaka maro mikasika ny dosie boaderozy,… izay novdiany lafo tamin’ny figadrana tao anatin’ny fitondran’i Andry Rajoelina nanomboka ny 2019-2025,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

20-avril-2026

amin’ny Fanjakana sy ny PTF

Card image cap
20-avril-2026

ny fanenjehana ny Mopera Pédro

Card image cap
20-avril-2026

ho an'ny Filoham-panjakana...

Card image cap
20-avril-2026

fandraisana lesona amin'ny tsikera"

Card image cap
20-avril-2026

Tanora iray voapoizina teny Ambohimalaza

Card image cap