nokarakarain’ny Jejoo le quotidien des Femmes sy ireo mpiara-miasa aminy. Hetsika nanomezana sehatra ny asa famoronana sy ny vehivavy mpandraharaha, izay manana ny lanjany sy ny toerany amin’ny lafiny maro, raha tsy hilaza afa-tsy ny ara-toekarena. Vehivavy mpandraharaha miisa 40 avy eto Antananarivo sy avy any amin’ny faritra no nomena sehatra maimaimpoana nandritra ity “salon des creatrices Neny Manja”, andiany voalohany ity. Fotoana io nampirantiana sy nivarotan’ireo vehivavy mpandraharaha ireo vokatra sy asa tanana samihafa. Nifanandrify amin’ny vanim-potoana hanamarihana ny fetin’ny reny, ka nahafahan’ny mpitsidika nanjifa fanomezana azo atolotra ho an’ny Neny. “Mahavita zavatra ny vehivavy Malagasy saingy misy amin’izy ireo no tsy mahazo sehatra tsara indrindra eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana” hoy I Ando Randrianarimanana, tompon’andraikitra avy amin’ny Jejoo. Vinan’ny Jejoo rahateo raha ny fanamarihana ny hanohana ny vehivavy hiasa sy handrahara ka mba hahaleotena amin’ny zavatra ataony. Kendrena ao anatin’izao, hoy hatrany ny mpikarakara ny hanosika ireo vehivavy hanana fahasahiana sy fahatokisan-tena ary ho sahy hiseho amin’ny zavatra rehetra izay ataony avy. Ankoatra ny fampiratiana, dia fotoana ihany koa ny omaly nifampirazan’ny samy mpandraharaha satria nisy tamin’izy ireo no vao manomboka ary misy ireo efa manana ny toerany.
Toky R
Avo lenta ny endrika isehoan’ny kolikoly eny anivon’ireo sampan-draharaham-panjakana eto amintsika.
Ory hava-manana ny malagasy, hoy ny fomba fiteny heno matetika taty amin’ny taonjato faha 20.
Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako no ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny
Hotanterahana any Adis-Abeba ny 15-16 febroary izany hoe : ny sabotsy sy alahady izao ny
Tsy mitsahatra ny mitady izay fomba hanomezana fahafaham-po antsika mpihaino ny TOP RADIO FM 102.8.
Tena mampiady ny firehana politika tsy mitovy. Tsy ho an’ny olom-pirenena tsotra samy maneho hevitra dia